Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Indostria anarany fotsiny

Resaka fampiroboroboana ny indostria no tena ifantohan’ny fivorian’ny Comesa na ny vondrona ara-toekaren’ireny amin’ny Atsimo sy Atsinanan’i Afrika izay atao eto Madagasikara nanomboka omaly. Raha jerena tokoa dia toa ireo firenena matanjaka sy mivoatra eo amin’ny lafiny indostria avokoa no manan-karena amin’izao fotoana izao. Vao haingana koa no nilaza ny filoham-pirenena malagasy fa io indostria io dia anisan’ny fomba iray hahafahana mampandroso haingana an’i Madagasikara. Ny fananganana orinasa ihany mantsy no fomba iray hahafahana mamorona asa ho an’ny vahoaka ary manamboatra vokatra ho an’ny mpanjifa no sady hampitombo ny hetra any amin’ny kitapombola-panjakana ihany koa. Misy ihany, ary an-jatony ny orinasa mitsangana isan-taona eto amintsika saingy toa lasa anarany sy mameno lisitra fotsiny izy ireny fa tsy hita izay tena fandraisany anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy mbola tafiditra amin’ny resaka fahamatorana sy fananganana indostria ny tanora malagasy rehefa manangana orinasa fa lasa mirona amin’ireo orinasa kely mpanera fotsiny. Hita mivelatra be io eo amin’ny sehatry ny serasera sy ny varotra saingy tsy maharitra dia maty ilay orinasa. Lasa mpanelanelana sy mpanera ny ankamaroan’ireo orinasa atsangan’ny tanora malagasy. Vitsy ny tena mpandraharaha sahy mirotsaka amin’ny fananganana indostia izay mamadika akora fototra ho vokatra indostrialy ary mampiasa mpiasa marobe. Ny tena loza aza dia maro amin’ireo tena mpandraharaha no mitaraina noho ny antsojay mahazo azy ireo. Voalohany amin’izany ireo vondrona orinasa goavana izay anaovan’ny manam-pahefana sasantsasany ramatahora sy fingampingana lava izao. Misy ihany koa ireo izay tena miasa sy manaja ny lalàna rehetra mifehy ny varotra sy ny indostria nefa simban’ny fanafarana entana tsy ara-dalàna sy tsy manara-penitra avy any ivelany. Vao haingana ny fikambanamben’ny mpandraharaha malagasy no nitaraina fa ho simba tanteraka raha mbola mitohy ny gaboraraka amin’ny fampidirana entana vahiny tsy manara-penitra eto amintsika. Betsaka ihany izay fitondrana nifandimby teto izay fa tsy mbola nisy tena nahavita niaro ny mpandraharaha malagasy mba tena hiroborobo sy ho fanoitran’ny fampandrosoana. Misy ihany ireo orinasa malagasy vitsivitsy mahazo tombon-dahiny mba hisongadina saingy voatery miara-dia sy manohana ara-politika ny mpitondra izy ireny. Tsy ny mpandraharaha rehetra anefa no manaiky ny hiroso amin’ny lalao politika ka voatery miaritra ny antsojay sy ny tsy rariny ataon’ireo tsy manara-dalàna.

Raha tena te hampandroso marina ity firenena ity ny mpitondra sy ny vahoaka malagasy dia mila maneho finiavana sy firaisankina hanohana sy hanao izay hamporisihina ny mpanambola malagasy mba hampiasa vola sy hanangana orinasa betsaka eto. Misy ary maro ny malagasy manam-bola afaka manangana orinasa saingy tsy te hanao izany satria na atsangana aza io mety hirodana rahampitso noho ny politika tsy milamina eto. Firifiry izay orinasa nikatona teto izay noho ny resaka politika fotsiny. Tsy marisika ny hampiasa ny volany amin’ny resaka indostria ny ankamaroan’ny mpanan-karena ary aleon’izy ireo aza mampiasa vola any ivelany. Mila filaminana sy fitoniana maharitra izany ny firenena vao tena ho afaka ny hampandroso. Tsy vitan’ny antso sy ny fampiasana hery famoretana anefa ny fitoniana fa mitaky fahaiza-mitantana sy mangarahara ary vokatra hita maso sy azo tsapain-tanana avy amin’ny fitondram-panjakana. Betsaka ny maodely azo alain-tahaka any ivelany ary maro ihany koa ny ketrika avy amin’ny manam-pahaizana malagasy mahakasika ny fomba fananganana indostria entina hampandroso an’i Madagasikara saingy tsy resy lahatra ny hamatsy vola izany ny mpanan-karena noho ny antony efa noresahina teo. Tsara fifandraisana amin’ny mpandraharaha ara-toekarena vahiny ny mpitondra saingy mila mamitram-pihavanana sy firaisankina amin’ireo mpandraharaha malagasy ihany koa. Na inona na inona filaza, tsy maintsy ny malagasy irery ihany no manana ny fitiavan-tanindrazana sy vonona ny hanao ezaka hampandrosoana ity firenena ity.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre