Anosiarivo – Nambenan’ny jiolahy isam-baravarava ny fokonolona
Hafa kely ny fomba nanatanterahan’ny andian-dahalo ny fanafihana tao Anosiarivo Ankasibe any Soavinandriana Itasy. Notohanan’izy ireo ny varavaran’ny trano rehetra tao an-tanàna mba tsy hahafahan’ny mponina hivoaka. Nahery fiavy ireo mpanafika satria tsy nitsaitsaika namely tampoka fa avy hatrany dia nanapoaka basy nirefodrefotra vantany vao tonga. Tokantrano iray no lasibatra tamin’izany ka very ny fitaovana elektronika toy ny fahitalavitra fisaka, lektera, fanamafisam-peo sy vola 2 hetsy ariary. Tsy nisy afa-nihetsika nanohitra ireo voatafika ny iray tanàna fa dia nihainohaino ny zava-nisy fotsiny. Rehefa lasa ireo jiolahy vao nampandrenesina ny zandary izay manao ny famotorana amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny maha tsy fandriam-pahalemana azy dia efa tena asa fampihorohoroana mihitsy ity nitranga ity. Herisetra sy fampisehoan-kery ary fampitahorana mantsy no fomba nanatanterahan’izy ireo ny fanafihana.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







