Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Rehefa tsy azo dia nodoroana

Nanaitra ny maro ny vaovao nivoaka fa nisy nandoro ary kila ny velaran-tany midadasika misy alan-tapia any Arivonimamo sy Soamahamanina. Nahagaga fa taoriana kelin’ny nangoronan’ny sinoa, mpitrandraka volamena tany an-toerana ny fitaovan’izy ireo no nitrangan’io loza goavana io. Nisy ireo sahy niteny avy hatrany fa ny vahoaka ihany no nandoro ny ala noho ny fahasorenana. Tsy mitombina anefa izany raha dinihina satria ny vahoaka aza nanao vy very ny ainy nifandona tamin’ny mpitandro filaminana sy voadaroka ary nosamborina sy nogadraina mihitsy mba hiarovana ny alan-tapia. Sarotra inoana raha ny vahoaka eny an-toerana no nandoro io ala tsy manam-paharoa maneran-tany io. Ireo vahoakan’i Soamahamanina sy Arivonimamo rahateo efa samy mahafantatra tsara ny maha tokana an-tany ny alan-tapia any an-toerana. Sady vakoka mantsy io no foto-pivelomana ihany koa. Tsy mbola nisy doron-tanety goavana toy izao anefa tany an-toerana hatramin’izay. Sarotra ny hanendrikendrika olon-kafa fa heverina ho tsy mitombina kosa ny fanondroana ny vahoaka ifotony ho rangory fototry ny afo. Tsaroan’ny rehetra tsara ny zava-nitranga tamin’ny fifandonana voalohany nisy teo amin’ny mponin’i Soamahamanina sy ny mpitandro filaminana. Nirehitra noho ny fanapoahana grenady mandatsa-dranomaso mantsy ny tanety ka ireo mponina no nifandrombaka namono ny afo mba tsy hihitatra hanimba ny ala. Efa manaporofo io fihetsika io fa tsy mankasitraka ny fandorana ny alan-tapia ny mponina any an-toerana. Ny azo antoka aloha hatreto dia misy sokajin’olona tsy maty voalavo an-kibo amin’ny mponin’i Soamahamanina. Hita porofo izao fa misy mahita tombontsoa amin’ny fanimbana ny alan-tapia ka manao izay hamotehana izany amin’ny fomba rehetra. Inona intsony tokoa moa no antony hiarovana iny toerana iny raha toa ka may ringana ny ala teo amboniny. Dia ho sanatria ve valifaty amin’ny resaka tsy fitovian-kevitra no antony nanaovana izao fandoroana tanindrazana izao? Enga anie mba tsy ho izay fa raha izany dia hampitombo ny savorovoro sy korontana efa misy ao Soamahamanina ny fanimbana ny alan-tapia izay foto-piveloman’izy ireo. Mazava ho azy fa ny fidirambolan’ny mponina mihitsy no nokatsanana mba hampandohalika azy ireo. Heverin’ireo mpihetraketraka angamba fa rehefa tsy misy ny fidiram-bola dia hanaiky mora ny fanambazana madinidinika ny mponina ao Soamahamanina. Tsy fantatra ary heverina tsy ho fantatra mihitsy izay rangory fototry ny afo nandoro ny alan-tapia ao Soamahamanina sy Arivonimamo satria kely ny fanadihadiana hitadiavana azy ireo. Eto Madagasikara rahateo dia saika vitavita ho azy eny fotsiny ny fandoroana tanety na dia misy lalàna hentitra mifehy izany aza. Fotoana fanaovan’ny fahavalom-pirenena izany rahateo izao mafana sy main-tany izao. Fahavalom-pirenena satria izay mandoro tanety dia mandoro tanindrazana hoy ny fomba fanentanana izay. Ankoatra ny fisian’ny setroka be manimba ny sosona ôzôna ka mitarika amin’ny fiakaran’ny hafanan’ny tany izay mampiova ny toetr’andro dia biby sy zava-maniry tsy fahita maneran-tany marobe no simba ao anatin’ireny doro tanety ireny. Jerem-potsiny toy ny tany nahalavoana anefa izany eto amintsika satria tsy ampy ny fitaovana sy olona hiaro ny ala sy hamono ny afo. Mila jeren’ny fitondram-panjakana akaiky ny zava-misy ao Soamahamanina ao fa tena mihitatra be ary misy manao fanahy iniana hanao izay hipoahan’ny hatezeram-bahoaka mihitsy. Efa noheverina fa niravina ny disadisa taorian’ny nangoronan’ny sinoa mpanao fitrandrahana entana nefa izao dia io fa misy mandrehitr’afo ara-bakiteny sahady. Raha tombanana tsotra dia misy sokajin’olona manao izay fomba rehetra hamotehana ny mponin’i Soamahamanina mihitsy saingy tsy fantatra hoe iza marina ireo mitady korontana ireo. Vahoaka malagasy anefa ny ao Soamahamanina ary manan-jo hiaina am-pitoniana sy amim-pilaminana. Anjaran’ny Fanjakana no manao izay hiverenan’ny fianinan’ny mponina amin’ny laoniny toy ny zava-nisy talohan’ny savorovoro naterak’ilay fitrandrahana volamena.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre