Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Ambilobe – Vehivavy iray hita faty tao an-tranony iray volana aty aoriana

Saika naharenesana fatin’olona nisy nanary etsy sy eroa tato ho ato amin’ny faritra maro eto Madagasikara, toy izay nitranga tany Matsabory, kaominina ambanivohitr’Ambilobe, faritra Diana.  Vehivavy iray 48 taona no hita faty tao an-tranony ny 11 oktobra lasa teo. Tamin’ny 10 ora maraina tany ho any no nisy nahita ny razana raha toa ka sendra niditra tao an-trano ny havany. Mpampianatra any amin’ny sekoly tsy miankina iray moa izy ity ary rehefa natao ny fizahana dia fantatra fa efa ho iray volana mahery no nahafaty azy io satria toa manodidina an’izay no nahitan’ny mpiara-belona sy ny mpianany azy farany. Tsy re sy tsy fantatra intsony ny nisy azy taorian’izay. Ny ankamaroan’ny fananany koa dia efa saika fongana avokoa. Raha ny fizahana farany nataon’ny mpitsabo azy dia voamarina fa nisy namono izy io. Rehefa nanao ny famotorana ny mpitandro  filaminana dia fantatra fa lehilahy roa no voarohirohy ho nahavanona izao loza izao. Hisorohana  ny fitsaram-bahoaka nefa dia nalefa any Antsiranana avy hatrany ireo roalahy ireo. Misokatra araka izany ny fanadihadiana ny amin’ny nahafaty marina ity ramatoa ity ka ny mpitandro ny filaminana ao Ambilobe no manao ny famotorana.

Anna Ra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre