Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Antsohihy – Iray volana anaty haizina

Efa iray volana izay no nisian’ny fahatapahan-jiro tany Antsohihy. Niovaova hatrany ny antony naroson’ny Jirama momba ny fahatapahan-jiro lava reny. Olana tekinika teo amin’ny milina mpamokatra herinaratra no voalaza  tany am-boalohany, nivadika ho resaka solika indray izany taty aoriana. Mitaraina ny mponina, maharitra 15 ora eo mantsy ny fahatapahan-jiro isan’andro, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro izany ary tsy miverina indray raha tsy efa maraina. Tsy vitan’izay ihany anefa fa mbola misy fiatoana eo amin’ny 4 ora eo indray mandritry ny andro izay miovaova araka ny fokontany ny fitrangany. Raha atambtra ary dia eo amin’ny adiny 4 eo ihany no tena misy herinaratra any an-toerana. Sahirana tokoa ny mponina noho io  fahatapahan-jiro diso tafahoatra io satria na ny asa fitadiavana na ny asa tokantrano dia samy tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Tsy nahazoana valin-teny mahafa-po anefa ny tompon’andraikitra ny amin’izay olana izay ka mbola tsy fantatra mihitsy ny fotoana mety hiverenan’ny jiro amin’ny tokony ho izy indray.

 

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre