Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Malaimbandy – Dahalo maka takalon’aina

Toerana efa malaza ratsy amin’ny asan-dahalo sy ny halatr’omby ny kaominina ambanivohitry Malaimbandy, anisan’ireo faritra voasokajy ho faritra mena mihitsy raha izy. Malaso 2 lahy indray, izay fantatra amin’ny anarana hoe : Soaraza sy Rasiso, no nanafika tao Maroamby sy Beanana, fokontany Androtsy tamin’ny 11 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro tany ho any. Ny trano fonenan-dRamatoa Hanta, no lasibatra tamin’izany.  Nirongo basy lava “calibre 12” sy antsy ireo mpanafika ary omby miisa 8 no azon’izy ireo tamin’izany.  Mateti-pitranga amin’ny faritra maro ny fanafihan-dahalo mitam-piadiana mahery vaika tahaka izao. Tsy nionona tamin’ireo omby anefa ireo olon-dratsy ireo fa mbola naka an-keriny an-dRamatoa Hanta tompon’omby ihany koa, mba hatao takalon’aina.  Fotoana fohy taorian’izay anefa dia niroso tamin’ny fanarahan-dia ireo dahalo ny zandary avy tao amin’ny tobim-paritra Malaimbandy ary narahin’ireo fokonolona.  Ora vitsy taty aoriana dia tratra ireo dahalo ary nisy ny fifandonana teo amin’ireto farany sy ireo mpitandro ny filaminana.  Lavon’ny bala tamin’izany i Rasiso, ary azo sambo-belona kosa i Soaraza. Tsy nisy ny naratra kosa ny avy amin’ny zandary. Avotra soa aman-tsara ihany koa Ramatoa Hanta ary efa tafaverina aminy ireo omby nangalarin’ireo malaso.  Efa eny am-pelatanan’ireo zandary ireo basy nampiasain’ireo olon-dratsy.  Natao famotorana tany amin’ny tobin’ny zandary i Soazara mba ahafantarana ny fiavian’ireo basy ireo saingy kely ny fanantenana ny amin’ny mety ho fitohizan’ny fanadihadiana.  Haingam-piasa ireo zandary ary izany no anisan’ny nahatontosana ity fanavotana ity. Tsy hita aloha hatreto izay fepetra mety horaisina hiadiana sy hanafoanana tanteraka ny asan-dahalo any amin’iny faritra iny, ny velaran-tany tokony harovana dia ngeza tokoa ka tsy mahasahana izany ny isan’ny mpitandro filaminana any an-toerana.

 

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre