Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Tsaratanana – Filatsahana an’ala nahitam-bokatra

Efa andro maromaro izay no nanaovan’ny zandary sy miaramila any amin’ny faritra Betsiboka fanangonam-baovao sy filatsahana an’ala. Izany no nahafantarana fa misy ala iray ao Behemboka sy Beanana, fokontany Androfiabe, ao amin’ny kaominina ambanivohitry Tsararova, fanafenan’ireo dahalo ireo omby halatra, izay azon’izy ireo tamin’ny fanafihana tanàna satria tsy hita ny ankamaroan’ireo biby ary efa manao fanadihadiana mahakasika izany ireo mpitandro filaminana ireo. Ankehitriny anefa dia fantatra fa ao amin’io ala io no toby fanafenan’ireo olon-dratsy ny vokatry ny halatra sy fanafihana ataony. Tamin’ny 5 oktobra lasa teo no nanapa-kevitra ny lehiben’ny vondrona Betsiboka sy Sofia  hatao sava hao ao amin’io ala voalaza etsy ambony io. Izany no natao dia mba hahafahana misambotra ireo dahalo izay efa azo lazaina ho nanorim-ponenana tao. Ny 11 oktobra lasa teo dia nanapa-kevitra ireo mpitandro filaminana fa hanao fidinana ao amin’ilay ala. Tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro teo no nilatsaka an-tsehatra ny andian-tafika notarian’ny Chef d’escadron Tsaratiana Edgard Honoré, namakivaky ny ala hitady io toerana fieren’ny dahalo io. Nandamoka ihany anefa izany hetsika izany satria dia tsy nisy na dahalo iray aza tratran’izy ireo tamin’izany. Araka ny vaovao azo dia nisy nampandre ireo dahalo ny amin’ny fahafantaran’ny mpitandro filaminana ny toerana fieren’izy ireo no nahatonga azy tsy tratra fa niala tao amin’io toerana io. Na izany aza anefa tsy nody maina ihany ireo zandary sy miaramila satria omby miisa 89 no hita tao anaty ala nandritra ny fidinana nataon’izy ireo. Ireo omby hita rehetra moa dia efa nalefa vonjimaika any amin’ny biraon’ny zandary ao amin’ny kaominina Tsaratanàna. Nanao antso avo ihany koa ny mpitandro filaminana ny mba hanantonan’ireo mety ho tompon’omby very hahafahana mamerina ireo biby amin’izy ireo. Saika efa voakasiky ny halatr’omby avokoa ankehitriny ny faritra rehetra manerana ny nosy

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre