Fanakanan-dalana – Nirefodrefotra ny basy alohan’ny hidirana an’i Sakaraha
Tsy mitsaha-mitombo ny fanakanan-dalana eny amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny. Manjakazaka ary manao izay danin’ny kibony tokoa ireo jiolahy ary efa maty paika mihitsy ny tetika entin-dry zalahy manatanteraka ny asa ratsiny. Tsy vao ampy herinandro akory izay no nisian’ilay fiara voatafika ka naharatrana mpamily iray teo amin’ny faritry ny lohany dia izao sahady indray dia miverina izany. Ny alarobia maraina teo dia nanakan-dalana indray ireo jiolahy, 10 kilaometatra mialoha ny tsy hidirana ny tanànan’ i Sakaraha. Araka ny vaovoa azo dia avy any Fianarantsoa ilay fiara ary vato nasakana ny arabe no tetika nentin’ireo jiolahy nanajanonana ilay fiara. Rehefa nahita izany ilay mpamily dia nitady fomba hialana haingana ilay fandrika ihany saingy tsy maintsy nijanona. Nikasa ny hiverin-dalana noho izany ity fiara saingy izy hamily kodiarana iny dia nirefodrefotra ny basy ary raikitra ny tora-bato izay tsy fantatra hoe avy aiza. Teo vao nikoropaka fa hay jiolahy mitam-basy mahery vaika maro lahy no nihodidina ny fiara ary nanery ny mpandeha rehetra nivoaka ny fiara. Izay nidina dia voaendaka avokoa na ny akanjo na ny finday eny hatramin’ny vola rehetra izay tany ampaosy aza. Vola mitentina 1,9 tapitrisa Ariary, finday 11 ary firavaka volamena teny an-koditry ny mpandeha maro dia maro no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Araka ny vaovao azo moa dia toa nisy iray tamin’ireo mpandeha no niray tsikombakomba tamin’ireo mpanao ratsy. Tsy hita izay nanjavonany rehefa nitsoaka ireto dahalo ireto. Rehefa nahare ny tifitra nisesisesy kosa ireo fiara taraiky tany aoriana dia niverin-dalana avy hatrany ary nampandre ireo mpitandro filaminana. Ireto farany izay tonga avy hatrany ary nifanenjika tamin’ireo jiolahy tany anaty ala. Raikitra noho izany ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta ary naharitra efa ho ora roa izany. Tsy nisy moa ny aina nafoy na ny naratra fa tafatsoaka avokoa ireto mpanakan-dalana rehetra.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







