Misamboaravoara amin’ny tsy antony
Nampangitakitaka ny rehetra ny zava-nitranga tamin’ny herinandro toy izao satria niara-nisarongatra avokoa ireo rehetra mpanao fitakiana amin’ny Fanjakana. Samy tsy nisy nitsitsy fitenenana ary maro mihitsy ireo sahy nilaza fa tsy maintsy miala amin’ny toerany ny mpitondra ato ho ato. Tsy hay rahateo na fifandrifian-javatra na inona no nitranga fa toa niara-nipoitra avokoa ireo mpanao fitakiana rehetra. Ny sendikan’ny mpampianatra mivondrona ao amin’ny Aneffa no tena nahay tamin’ny fihetsiketsehana satria nasehon’izy ireo mihitsy ny maha olona avy eny anivon’ny fiarahamonina azy rehefa tsy misalotra ny saron’akanjo fotsy fitondra mampianatra izy ireo. Tsy nijoro ho mpanabe nivoaka avy amin’ny tranon-tsekoly intsony ireo mpampianatra ao amin’ny Aneffa fa niseho vantana fa mahavita fihetsika toy ny olona nampianarin’ny lalàna ihany koa. Moa va tsy toy ireny be sandry mpanakorontana rehefa misy hetsi-bahoaka ireny. Horakoraka, fampiasan-kery amin’ny alalan’ny famotehana hidim-bavahady, vavan-jiolahim-boto ary nahavita hatramin’ny naniratsira ny hira fanentanana ny ankizy hianatra mihitsy ny sendika ao amin’ny Aneffa mba hanehoany ny tsy fahafaliany amin’ny fihetsiky ny mpitondra Fanjakana. Nahagaga anefa tampoka teo tamin’ity herinandro ity dia niova fiteny sy nivadi-dela ireo mpitarika fitokonana ary nanambara fa hita ny marimaritra iraisana tamin’ny mpitondra dia hiverina hampianatra izy ireo. Nomena tombontsoa manokana izany ny mpampianatra dia nifanaraka tamin’ny Fanjakana indray. Voalaza fa hatramin’ny 70 isanjaton’ny fangatahana no voavaly. Dia rahoviana izany ny 30 isan-jato ambiny ? Ary raha resaka ambony latabatra fotsiny ny fifanarahan’izy ireo fa tsy misy ny fanatanterahana azy ? Dia hanao fitokonana indray ve ny Aneffa raha izany no mitranga ? Toa lasa kilalao fotsiny ny fiainan’ny vahoaka madinika ary toy ny efa fahazarana sy zary ho fialam-boly ho an’ny mpampianatra mihitsy ny manao fitokonana isan-telo volana. Manao fihetsiketsehana sy manala-baraka tena mandritra ny andro vitsivitsy dia miverina miasa indray satria nihaona tamin’ny tompon’andraikitra. Afaka telo volana dia indreny indray fa manao fihetsiketsehana be ary milaza tsy ho afa-po dia toy izany hatrany.
Tena lasa kilalao ny fianaran’ny zaza malagasy ho an’ireo fianakaviana sahirana tsy mba manana vola handoavana ny saram-pianarana eny amin’ny sekoly tsy miankina. Miaritra ny sitra-po sy izay tian’ny mpampianatra sy ny fitondram-panjakana atao fotsiny. Na inona anefa filazan’ny Aneffa na inona dia zara raha mahay ny mpianatra ampianarin’izy ireo. Sitrany ahay mba misy mpampianatra fotsiny fa raha ny zava-misy dia ambany kely ny fari-pahalalan’ireo mpiantra eny amin’ny sekolim-panjakana indrindra ny sekoly fanabeazana fototra sy ny sekoly ambaratonga faharoa fototra. Matetika mantsy dia ireo tanora tsy nahomby firy tany amin’ny fianarana nataony no mitady hevitra hidirana ho mpampianatra Fram manerana ny Nosy. Ireo ankizy tena nahay sy nahazo vokatra tsara tany am-pianarana dia lasa mianatra eny Ankatso ary miasa amin’ny sehatra mifanitsy amin’ny sampam-pianarana nataony rehefa mahazo diplaoma. Ireo hafa tena te hanao mpampianatra kosa dia miditra mianatra eny amin’ny sekoly ambony natokana hanofanana mpampianatra. Rehefa mahazo diplaoma izy ireny ka tsy tafiditra eny amin’ny Fanjakana dia lasa mampianatra eny amin’ny seokoly tsy miankina sy ireo sekoly ambony marobe izay efa miroborobo amin’izao fotoana izao. Ireo antony ireo no ilazana fa ataon’ireo sendikan’ny mpampianatra mpanao fitokonana kilalao ny fampianarana ny zaza malagasy. Raha tena mitaky ny zony marina izy ireo dia mila mijoro hatramin’ny farany mandra-pahazoany valiny mahafa-po zato isan-jato amin’ny fitakiana atao izay vao miverina mampianatra. Raha izay tokoa mantsy no zava-misy dia ho voavaha tanteraka ny olana rehetra ary tsy hisy intsony ny fitokonana miverimberina isan-taona.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







