Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ambato-Boeny – Maty voatrobaky ny tandrok’omby ilay mpitondra moto

Na eto an-drenivohitra na any amin’ny faritra dia tsy mitsahatra mitaraina ireo mpandeha an-tongotra na ireo mpitatitra fiarakodia amin’ny fihetraketrahana diso tafahoatra ataon’ireo mpandeha moto. Ny ankamaroan’ny lozam-pifamoivoizana tokoa mantsy dia vokatry ny fandehan’ireo mpitondra kodiaran-droa mafy loatra, indrindra ireo mpitondra “scooter”, mahazo ilay misisisisika anelanelan’ny fiara. Tsy vitsy amin’izy ireny no mitondra takaitra ary ao ireo maty tsy tsa-drano satria  iaraha-mahalala fa tsy misy miaro ny vatana rehefa mianjera amin’izy ireny fa dia « carrosserie » vatana tokoa araka ny fomba fitenenana. Ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva dia lozam-pifamoivoizana hafa kely no nitranga teny amin’ny lalam-pirenena faha- 6 iny. Tao amin’ny fokontany Manerinerina raha ny marimarina kokoa. Kodiaran-droa nitondra olona roa nandeha mafy dia mafy mantsy no nandona omby. Ireto farany izay nanenjika fotoana raha ny vaovao azo. Noho izany dia nihoatra ny tokony ho izy ny fandehan-dry zalahy hany ka tsy nahavily kodiarana intsony izy mirahalahy ary nifandona tamin’io omby io. Maty vokatr’izany fifandonana mafy izany ilay mpamily satria voatrobakan’ny tandrok’ilay omby teo amin’ny faritry ny tratrany. Araka ny vaovao azo dia maty teo noho eo izy satria nilentika teo akaikin’ny fo ilay tandroka. Ilay nentina kosa naratra mafy satria nipitika teo ampovoan’ny arabe. Misy aza moa ireo nilaza fa saika voahitsaky ny fiara hafa indray ilay zazalahy. Rehefa nampandrenesina ireo mpitandro  filaminana dia ny tobim-paritra Manerinerina no niroso nisahana ny fanadihadiana.

Anna Ra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre