Fametrahana Ben’ny Tanana – Niafara tamin’ny fandorana Fiangonana
Ben’ny Tanana hvm iray no tokony nandray tamin’ny fomba ofisialy ny fahefana omaly zoma tao amin’ny Kaominina ambanivohitr’Ampasimbe Manatsatrana, distrika Fenoarivo Atsinanana. Tsy anisan’ireo lany tamin’ny fifidianana tamin’ny 2015 ity farany fa tamin’ny alalan’ny didim-panjakana no nahatonga azy nahazo io toerana io. Ny antoko Mma no safidin’ny vahoaka tamin’izany fifidianana izany ary efa niasa nandritra ny 1 taona ireo saingy izao nesorina tamin’ny toerany izao. Efa fotoana maharitra izay no nampidirana ity raharaha ity tany amin’ny fitsarana ary nisy hatrany ny fifandirana teo amin’ny mponina sy ireo manam-pahefana. Efa nisy ny amboletra tao amin’ny lapan-tanana nataon’ilay voatendry tamin’ny volana septambra lasa teo ary niaro azy hatrany ny miaramila tamin’izay hetsika nataony ho fampisehoana hery sy fampitahorana. Teo ankilan’izany, nitroatra ny mponina nitaky ny fitazomana ny toeran’ilay ben’ny tanana lany ara-dalàna. Araka izany, tamin’ny alin’ny alakamisy teo dia nanao fihetsiketsehana izy ireo nanakanana izay fifamindram-pahefana izay. Niroso tamin’ny fandravana ny lapihazo sy ny tranoheva nomanina handraisana io hetsika io ny mponina ary fiara mazda iray nifanila tamin’ilay lapihazo no voatora-bato ka simba tanteraka. Nisy fiangonana iray teo amin’ny manodidina ihany koa no nirehitra nandritra izany fihetsiketsehana izany, tsy nisy ifandraisany amin’ilay ady politika ity fiangonana ity fa noho izy teo amin’ny manodidina ihany no nahatonga izany fahamaizana izany, ary fihetsika tsy voatandrina no mety nahatonga io loza io. Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny hitoeran’ity ben’ny tanana Hvm ity ireo mponina ao Ampasimbe. Nanao tifi-danitra ireo miaramila tany an-toerana nentina nanaparitahina ireo mpikomy ary raha ny vaovao farany voaray dia nisy ireo naratra. Tsy tanteraka ihany koa ilay hetsika nokasaina hatao ary mbola tsy mazava ny mety ho tohin’ity raharaha ity.
Ny Tsiky R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







