Mananjary – Niledaleda ny afo, trano 400 isa tsy misy noraisina
Tsy fitandremana matetika no mahatonga haintrano ary na ireo nahatonga izany na ireo tsy nanao inona na inona akory dia samy mizaka ny vokany avokoa. Tao anatin’ny roa volana monja dia trano maherin’ny 700 isa no may kilan’ny afo ary tsy teto an-drenovohitra irery fa hatrany amin’ny faritra izany. Ireo faritra izay tsy misy na sarotra tongan’ireo mpamono afo no tena mitondra faisana indrindra satria matetika na dia miray hina tanteraka amin’ny famonoana ny afo aza ireo fokonolona dia tsy mahavita na inona na inona satria tsy ampy ny rano sy ny fitaovana. Ny alakamisy lasa teo dia nisehoana trangana haintrano be mahatsiravina indray tany amin’ny distrikan’i Mananjary iny, tokony ho tamin’ny 11ora sy sasany antoandro. Tao amin’ny kaominina Sahadroy ao amin’ny fokontany Andranona no nisehoan’izany ary trano miisa 400 be izao no may tsy nisy noraisina intsony. Araka ny vaovao azo dia otrikafo teo akaikin’ny tanàna ihany no nahatonga ny firehetana. Misy ireo milaza fa afon-kitay tsy maty tsara tao amin’ny tokantrano iray no niteraka ny loza. Rehefa avy nahandro sakafo mantsy ilay renim-pianakaviana dia lasa tany an-tsaha nijery voly. Tsy nanampo akory izy fa hay tsy maty tsara ny afo, izy raha teo maika. Akory anefa ny hagagana rehefa niverina tany amin’ny nalehany izy fa efa rava ny tanàna, tsy nisy trano niangana intsony na iray aza. Rehefa nahita ny afo ny fokonolona dia niroso tamin’ny famonoana ary nampiasa ny fomba rehetra mihitsy. Tao ireo nisinton-drano tamin’ny vovo ary tao ireo nampiasa fasika. Misy mihitsy aza ireo izay nampiasa ny rano tao an-tokantranony mba hifehezana ny afo. Indrisy anefa fa rera-poana ireto fokonolona fa nihitatra ihany ny lelan’afo ary trano miisa 400 no indray naripany. Tsy nisy avotra noho izany ny entana rehetra tao amin’ireo trano ireo na dia teo aza ireo nikasa ny hanangona izay tapa-porohana sisa tsy may. Noho ny loza izay niseho tamin’ny andro antoandro kosa dia tsy nisy ny aina nafohy. Olona miisa 2800 noho izany no tsy manan-kialofana ary napetraka vonjimaika ao amin’ny Epp sy fiangonana ao an-toerana ireo traboina. Hany ka na ny fitokanana ny lakilasy izay saika hotontosana ny androtr’io ary dia tsy tanteraka noho izao loza tampoka izao.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







