Bekorobo – Dahalo 31 lahy no indray mangalatra omby
Tsy mitsahatra ary tsy hijanona mihitsy ny fangalaran’omby any amin’iny faritra Sofia iny. Tsy vao ela akory no nisy izany ary omby maherin’ny zato no lasan’ireo malaso. Ankehitriny dia mitohy indray izany ary miha maro ireo dahalo mirotsaka an-tsehatra manatanteraka izany ary tsy vitan’ny mangalatra omby ry zalahy fa efa tonga hatrany amin’ny fikasihan-tanana mihitsy, eny hatramin’ny fanolanana ny zanaky ny tompon’omby. Ny talata lasa teo dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny faritra Sofia, tao Bekorobo, kaominina Ambodiadabo tokony ho tamin’ny 5 ora maraina. Dahalo miisa 31 isa, nirongo basim-borona am-polony no nanafika toerana iray. Nanararaotra ny tompon’omby nandeha tany an-tsaha ireto mpanao ratsy ireto ka teo no namakiany ny vala ary nangalaran’izy ireo ny omby 58 isa. Poa toy izay dia tsy hita izay nanjavonan’izy ireo ary rehefa nahita izany ny tompon’omby dia niantso ireo mpitandro ny filaminana. Nanara-dia avy hatrany noho izany ireo zandary avy ao amin’ny kaompania Mandritsara miaraka amin’ny manam-boninahitra iray. Nisy ny fifandonana. Vokatr’izany, azo teo ampelatanan’ireo malaso ny omby miisa 23 ary ny 2 maty teny an-dalana. Ny 33 ambiny kosa tsy mbola azo fa lasan’ireo dahalo mbola nanohy ny fandosirana. Araka ny voalazan’ireo mpitandro filaminana dia mizotra mankany Marovato, distrikan’Andilamena ny dian’omby. Nanamafy koa izy ireto fa misy fanafenan’ireo dahalo omby ao amin’io toerana io saingy toa tsy hita maso izany. Mbola mitohy noho izany ny fanarahan-dia ary tsy hijanona izany raha tsy azo ireo omby halatra rehetra ireo.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







