Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

“Marathon de Tana “ – Ho tapaka ny lalana ny alahady 16 oktobra.

Maro ny lalana ho tapaka ny alahady ho avy izao noho ny hetsika “Marathon International de Tana”. Araka ny didim-pitondrana laharana 121-CUA/M/SG/DUD/STMU, 16 dia lalana mirefy 40km eo ho eo no hotapaka eto Antananarivo manomboka amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 1 ora tolakandro. Ireto avy ireo toerana vokasik’izany fahatapahana izany : Analakely, Anosy, Ampefiloha, 67ha lalana manoloana ny Cenam, Ampasika, Ikopa, Anosipatrana, Anosizato, Anosibe, Namontana, Soanierana, Ankadimbahoaka, Andronda, sampanan’i Mahazoarivo, Ambohimiandra, Ambanidia, Ankorahotra, Antsakaviro, Rasalama, Ankadifotsy, Antanimena, Ankorondrano, Masay, Analamahitsy, Ambatobe, Alarobia, Ivandry, Morarano Alarobia, Andraharo, Boulevard de l’europe, 67ha amin’ny paositra, Andavamamba, Ambohidahy ary ny lalana manodidina ny lapan’ny tanàna Analakely. Ahiana noho izany ny hisian’ny fitohanana amin’io andro io ary mety hosahirana ny mponina raha hamonjy fotoam-pivavahana na fivoriam-pianakaviana.

 

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre