Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Teknolojia vaovao – Herinandron’ny « télédétection »

Nisokatra ny 16 oktobra lasa teo ny herinandron’ny « télédétection », izay fampiasana ny sary azo avy amin’ny zana-bolana. Teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo no nanamarihana izany raha ny teto Madagasikara manokana.  Efa nisy taona maromaro izay Madagasikara no efa nampiasa io teknolojia io tamin’ny fanaovana soridrefitany, ny fisorohana ny loza voajanahary, ny fijerena ny mety ho toetry ny andro, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Mbola azo hitarina amin’ny sehatra maro anefa ity teknolojia vaovao ity ary izany indrinda no tanjon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiantifika sy ireo mpiara-miasa. Ho ezahina ny hamehezana izany ao anatin’ny taona vitsy. Ny fiarovana ny sisin-tany, ny ady atao amin’ny dahalo ohatra dia ilàna azy ity tokoa. Mbola lafo anefa ny fampiasana io teknolojia vaovao io satria dia eo amin’ny manodidina ny 5 000 dolara amerikanina eo ny vidin’ny sary iray ka izay no mbola sakana tsy mampiroborobo azy tanteraka eto madagasikara. Misy fiofanana amin’ny fikirakirana ireo sary azo avy amin’ny zana-bolana io atolotry ny  Mesupres  amin’izao eny Ankatso ary mbola mitohy hatramin’ny faran’ny herinandro izany.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre