Vous êtes ici :

Mardi 14 Mai 2024

ombre

Ankazobe – Nofatoran’ireo jiolahy ilay tompon’ny tranombarotra iray

Sahirana tokoa ny vahoaka Malagasy. Taratra izany amin’ny fisian’ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny nosy.  Ny 16 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina dia tranom-barotra iray indray no nisy nnanafika teny Bevomanga, fokontany Ambohiroa, distrika Ankazobe. Araka izany, novakian’ireo andian-jiolahy maromaro avy hatrany ny varavarana ka nambanany basy ny tompon-trano, avy eo nofatoran’izy ireo. Vantany vao nahare izany kapoka varavarana izany ny fokonolona dia nihazakazaka nijery ny zava-nisy, saingy tsy afa-namonjy noho ny sakana nahazo azy ireo. Araka ny loharanom-baovao voaray moa dia nanao fanamiana miaramila ny iray tamin’ireo jiolahy ireo. Ny zava-dehibe dia tsy nisy ny naratra nandritra izany fanafihana izany. Saingy voaroba kosa ny vola 317 000 Ariary sy ireo entam-barotra maromaro ary ny lamba fitafy samihafa. Very niaraka tamin’izany ihany koa ireo entana sarobidy samihafa toy ny fahitalavitra, ny “lecteur Dvd” ary ny finday iray marika Telma.  Mbola mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy izay tontosain’ny borigadin’ny polisy ao Ankazobe.

Anna Ra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre