Vous êtes ici :

Dimanche 28 Avril 2024

ombre

Andrefan’Ambohijanahary – Fatin’olona efa potipotika nosokirina tao anaty tatatra

« Mananjina tokoa ny aina ». Nampalahelo no sady nahatsiravina ireo olona nanatri-maso ny nahita fatin’olona, izay efa rotidrotika tanteraka nosokirin’ny mpiasan’ny kamominina tao anaty tatatra teny Andrefan’Ambohijanahary teny omaly maraina. Avy nisesisesy mantsy ny orana tato ho ato ka hita fa efa miha tsentsina sahady ireo tatatra eto an-drenivohitra. Niroso tamin’ny fanalana fako noho izany ireto farany ary tsy maintsy nanainga ireo saron-tatatra rehetra. Teo no nahitan’izy ireto kiraron’olona iray izay azo lazaina fa tena mbola tsara tokoa. Ny fofona raha teo efa niakatra ary araka ny vaovao azo dia tsy laitra niainana mihitsy teny amin’ny manodidina. Ny nahagaga ireto mpiasan’ny kaominina ireto anefa dia mbola nisy tongotra ilay kiraro ka teo vao nikoropaka nisikotra moramora ny fako. Taorian’izany, hita fa hay fatin’olona efa nilona andro maromaro tao anaty tatatra tao izy io. Hita tamin’izany ny ila-tongotra niaraka tamin’ilay ilan-kiraro ary ny antsasaky ny vatan’ilay olona izay efa tena potika tsy nisy noraisina intsony. Rehefa nanohy ny fisokirana hatrany izy ireo dia nahita ny lohan’ilay olona koa saingy efa tsy fantatra intsony hoe iza izy satria tena efa rava tanteraka ny vatany. Hita teo an-toerana ihany koa ny akanjo ambon’ilay razana izay niloko mainty. Mipetraka noho izany ny fanontaniana hoe nisy namono ve ity olona ity ka natsetsin’ireo olon-dratsy tao anaty tatatra ny fatiny sa kosa mamo dia latsaka tao ary tsy nifoha intsony? Ny mahagaga anefa dia tatatra azo lazaina fa tery ihany io nahitana azy io, antony nisokirana mafy azy, anefa dia tafasitrika tao ilay razana. Mety mitombina ihany noho izany ilay hoe nisy namono. Raha ny vaovao azo ihany dia tsy nahitana karapanondro na antotan-taratasy teny aminy, na tao anaty fako. Mitohy noho izany ny fikarohana ary miantso ireo olona manana namana na havana very ny mpitandro filaminana mba hahafahana manamarina  io olona hita faty io.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre