Ambohidrapeto – Vola mitentina 1 800 000 Ariary no voaroba
Mbola mitohy hatrany ny fanafihan-jiolahy eny amin’iny distrikan’Antsimondrano iny. ny 17 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny iray ora alina dia jiolahy miisa fito nirongo basy no tonga nanafika ny tranon’ny mpandrafitra iray, tao Imerimandroso, kaominina ambanivohitr’Ambohidrapeto. Vantany vao tonga tao amin’io tokantrano io izy ireo dia nanapoaka basy indray mandeha no sady nanambana basy ny zanakavavin’ilay tompon-trano. Norahonany hovonoina avy eo ilay tovovavy mandra-pivoakan’ny volabe izay mitentina 1 800 000 Ariary saika hanamboarana varavaram-piangonana. Araka ny loharanom-baovao voaray dia very niaraka tamin’izay ihany koa ny finday izay miisa 06 sy ny “lecteur Dvd” 02 ary ny fahitalavitra iray. Ary navotsitr’ireo olon-dratsy ity tovovavy rehefa avy voarain’izy ireo izay notadiaviny rehetra, sady nitsoaka nandositra izy ireo. Avy hatrany dia nidina teny an-toerana ny borigadin’ny polisy ao Itaosy nanao ny fanadihadiana. Mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy ireo amin’izao fotoana izao.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







