Vous êtes ici :

Mercredi 15 Mai 2024

ombre

Zazakely Sambatra – Misy mpiahy ireo ankizy malagasy

Eo amin’ny 92 isan-jaton’ny malagasy ankehitriny no manana 1 dolara hampiasaina isanandro. Manaporofo izany fa firenena anisan’ny tena mahantra i Madagasikara. Manodidina ny 14 taona anefa ny salan-taonan’ny antsasaky ny mponina eto amin’ity nosy ity. Ny fianarana àry araka izany no fitaovam-piadiana mahery indrindra hoentina miady amin’ny fahantrana. Ankizy 1 ao anatin’ny 4 anefa no tsy miditra an-tsekoly, 1 amin’ny 3 no miala alohan’ny kilasy faha 7. Mahatratra 2 tapitrisa ireo kilonga 5 ka hatramin’ny 14 taona miasa mba hameloman-tena. Raha izay salan’isa izay no dinihina dia tokony hiampy toeram-pianarana ambaratonga fototra roa arivo eo ho eo eto Madagasikara mba hahafahan’ny ankizy rehetra miditra an-tsekoly.  Ireo antony maro ireo no nanosika an’i tompokovavy Véronique de Bourgies hanangana ny fikambanana “Zazakely Sambatra” teto amintsika . Fikambanana manampy ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana izy ity ary efa an-taonany maro izay no nisiany teto Madagasikara satria tamin’ny taona 2004 no nitsanganany. Olona tia manampy ny mahantra, malala-tanana ary feno hafanam-po i Véronique de Bourgies. Efa niasa an-taonany maro teto Madagasikara izy nikarakara ireo ankizy marobe izay avy amin’ny fianakaviana fasahirana. Nampiditra azy ireo tany an-tsekoly ary nanara-maso azy ireo nandritra ny fianarany, eny nanampy koa aza hatramin’ny fiveloman’ireo kilonga tamin’ny alalan’ny fitsaboana sy ny fanomezana sakafo azy ireo aza dia noraisiny an-tanana avokoa. Raha tsiahivina moa dia anisan’ireo namoy ny ainy tamin’ny 13 novambra 2015 tany Paris izy nandritra ilay fanafihana nataon’ireo mpampihorohoro. Ho fahatsiarovana izany andro izany indrindra ary ny antony hanaovan’ny fikambanana hetsika goavana ny 13 novambra ho avy izao. Tompon’andraikitra frantsay 6 anisan’ny sangany : Yannick Alléno, Frédéric Anton, Yves Camdeborde, Pierre Hermé, Christophe Michalak ary Jean-François Piègeno no handroso sakafo miavaka ho an’ireo vahiny 200 izay nasaina. Hisy ihany koa ny lavanty mandritra izany hetsika izany ary ny tombony azo amin’io dia hatolotra manontolo ny fikambanana ho fanampiana ireo ankizy sahirana.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre