Fitaterana an-drenivohitra – Hiverina ny fizarana onitra
Raha nitsahatra efa ho 1 taona izay ny fanomezana onitra ireo taksibe mpitatitra an-drenivohitra sy ny manodidina dia hiverina indray izany amin’ity taona ity. Efa nanomana 12 lavitrisa ariary ny fitondrana ho an’izany. Io vola io moa dia natao hanampiana ireo mpitatitra amin’ny fandaniana ateraky ny fividianana solika ho an’ny taona 2016 sy 2017 ary fandoavana ny onitra tokony naloa tamin’ny taona 2015. Hiova anefa ny fomba fizarana io fanampiana io satria hojerena akaiky kokoa ny fandaniana ataon’ny mpitatitra tsirairay ary mety ho samihafa araka izany ny vola ho azon’ny mpitatitra tsirairay avy. Hanomboka ny voalohan’ny volana novambra izao ny fizarana io onitra io ary hifarana ny 30 aprily 2017. Efa afaka mametraka ny antontan-taratasy momba izany ireo mpitatitra eto Antananarivo, ny any Antsirabe, Toliary, Mahajanga ary Antsiranana ka eny amin’ny Att (Agence de transport terrestre) hatrany no anaterana izany. Izany no natao dia hitazomana ny saran-dalana ho 400 Ariary. Efa dinihina ihany koa ankehitriny ny fomba hampidinana ny vidin-tsolika.
Ny Tsiky R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







