Vous êtes ici :

Samedi 27 Avril 2024

ombre

Antsiranana – Jiolahy roa no voasambotra

Ny Alarobia 05 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany alina dia tovolahy iray 16 taona no novonoin’ny andian-jiolahy miisa enina tany Tanambao I, Antsiranana. Nisy ny fanadihadiana nataon’ireo polisy tany an-toerana, izay nahafantarana fa manodidina ny 13 ka hatramin’ny 19 taona ireo voarohirohy tao anatin’izany. Ny roa tamin’izy ireo kosa dia voasambotra omaly maraina. Raha araka ny loharanom-baovao voaray dia valifaty no antony fototra namonoana io tovolahy io satria an-dalana handeha hody any an-tranony izy no notsatohin’izy ireo tamin’ny antsibe ny lamosiny sady natotan’izy ireo tamin’ny tany ny lohany. Nanambara ny lehiben’ny polisy tany an-toerana fa tsy vao voalohany no nitranga ny asa ratsin’ireo olon-dratsy ireo, satria mbola voarohirohy tamin’ny famonoana tovolahy iray tamin’ny volana martsa sy ny fanendahana zaza tsy ampy taona roa ny 06 oktobra lasa teo izy ireo. Nilaza hatrany ny lehiben’ny polisy fa samy  tsy misy  mipetraka amin’ny ray aman-dreniny izy roalahy ireo sady tsy mianatra intsony koa. Araka izany, ny andavanandrom-piainany dia ny mifindra eny amin’ny faritra samihafa hanaovana ny asa ratsy.  Mbola mitohy ny fikarohana ireo andian-jiolahy efatra hafa.

Anna Ra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre