Vous êtes ici :

Vendredi 10 Mai 2024

ombre

Lisea André Resampa Antsirabe – Tsy manaiky ny hanesorana ny tale ny mpampianatra

Sekoly sangany amin’ny faritra vakinankaratra ny Lisea André Resampa Antsirabe. Tamin’ny taona 1963 no nananganan’ Andriamatoa André Resampa minisitry ny Asa sosialy tamin’ny repoblika voalohany azy io ary vao tsy ela akory fa tamin’ny 7 oktobra lasa teo ity sekoly ity no nankalaza tamin’ny fomba manetriketrika ny faha-53 taonany. Efa maro ireo mpitondra ambony sy olo-malaza nandalo tao, toa an’i Dama Mahaleo, Mamy Basta… Nampalaza ity sekoly ity ny fananany ambaratonga ambony raha mitaha amin’ny fianarana hafa any amin’iny faritra vakinankaratra iny. Ny fananany mpampianatra mahay, fitsipi-pifehezana hentitra ary hetsika ara-panabeazana maro samihafa manampy ny mpianatra amin’ny fivoarany no mahatonga izany. Efa an-taonany maro izay andiamatoa Richard Nirina Ranarijaona no nitantana ity sekoly ity. Nanapa-kevitra anefa ny  talem-paritry ny fanabeazam-pirenena any amin’ny faritra vakinankaratra ny hanala azy amin’ny toerana maha tale azy. Efa tokony hisotro ronono koa izy amin’ny volana desambra ho avy izao. Mitaky ny hijanonany amin’ny toerany anefa ireo mpampianatra sy mpanabe mpiara-miasa aminy, manohana izany hevitra izany koa ireo ankizy mpianatra sy ireo ray aman-dreny ao an-toerana.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre