Vous êtes ici :

Lundi 06 Mai 2024

ombre

Orinasam-panjakana – Fampiofanana tompon’andraiki-panjakana tany Vakinankaratra

Tsy diso anjara tamin’ny  fitetezam-paritra nataon’ny Cnaps ny faritra Vakinankaratra amin’ny fampiofanana ireo tompon’andraiki-panjakana rehetra eny anivon’ny orinasam-panjakana mbola mampiasa ireo mpiasa tsy raikitra na Ecd. Natao indrindra izao mba ho fitsinjovana azy ireo satria maro amin’izy ireo no tsy misitraka ny zo ara-tsosialiny. Naharitra telo andro izany atrikasa nandinihana ny fiahiana ara-tsosialy izany tao Antsirabe. Niarahana tamin’ny solontenan’ny tahirim-bolam-panjakana na ny Tresor public. Nahatratra 150 ireo mpandray anjara tamin’ny fiofanana, nahitana mpandraharaha maro izany dia ireo mpandrindra sy mpitambola ary mpitantana izany hoe ireo tompon’andraikitra amin’ny fitantanana sy ny fikirakirana vola mivantana eo anivon’ny Fanjakana eny ifotony ao anatin’ny faritra Vakinankaratra. Nahitana ny solon-tenan’ ny rantsa-mangaika avy amin’ny ministera , ny distrika, ny faritra, ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana toy ny kaominina izay mampiasa Ecd moa ireo mpandray anjara.

Anisan’ireo lohahevitra nisongadina tamin’ity fotoan-dehibe ity ny fampahafantarana ny andraikitry ny Cnaps, izay tahirim-pirenena mitantana ny latsa-kemboky ny mpiasa izay tonga fanampiana, manatsara ny fiainana ara-tsosialin’ny mpiasa sy ny vady aman-janany.  Fanampiana ho an’ny fianakavina, ny solon-takaitra (rentes), marary vokatry ny asa na tra-doza am-perin’asa ary ny fisotroan-dronono rahatrizay tonga ny fahanterana ary manentana ny mpampiasa amin’ny fiarovana ny ain’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa ihany koa. Nalalaka tanteraka ny fanehoan-kevitra ka nahafahan’ny tsirairay nitafa sy nidinika ireo olana sy ireo vahaolana ary ireo soso-kevitra mifanaraka amin’izany. Noraisin’ny Cnaps an-tanan-droa ireo hetahetan’ny mpizaika sy ny fanontaniana nanitikika azy ireo. Hisy ny fanaraha-maso aorian’ny atrikasa rehetra manerana ny Nosy. Tamin’ny faran’ny fiofanana dia nozaraina marim-pankasitrahana avokoa ireo mpandray anjara.

 

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre