Ambatobe – Noravan’ny fokonolona ny fanapenan-dalana
Nongotan’ireo fokonolona omaly maraina ireo vatobe miisa valo izay natsatoky ny fianakaviana iray teo afovoan-dalana, ao anatin’ny fokontany Ambatobe afovoany, boriboritany fahadimy. Nanala izany teo imason’ny lefitry ny sefo fokontany sy ny solombavam-bahoaka Naivo Raholdina izay fantatra ihany koa fa filohan’ny vaomiera mpanadihady ny olan’ny fananantany ao anivon’ny antenimieram-pirenena izy ireo. Fianakaviana maherin’ny 200 no niara-nanao sonia ny taratasy fanoherana izany fanakanana izany. Araka ny loharanom-baovao voaray dia tsy nahazo fahazoan-dalana ara-panjakana hanao izany fanapenan-dalana izany ilay mitonona ho tompon-tany. Saingy an’avona kosa no nanazavany tamin’ny besinimaro fa nahazo izany alalana izany tamin’ny sefo fokontany teny an-toerana izy. Ity farany izay milaza fa taratasy fampahafantarana fa tsy taratasy fahazoan-dalana no voarainy. Afa-pahasahiranana kosa ireo mponina taorian’izany fanesorana ireo vato ireo izany satria araka ny loharanom-baovao hatrany dia efa dimampolo taona mahery no lalam-pokonolona io lalana Ambatobe io, ary sambany vao nisy izany fanakanana izany.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







