Ambanidia – Jiolahy mpaka an-keriny saron’ny polisy
Jiolahy 4 ao anatin’ny tambajotra mpanao fanafihana mitam-piadiana sady mpaka an-keriny no tratran’ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra « Tana-ville » sy ny Gsis Ivato teo am-panaovana ny asa ratsiny teo Ankazotokana Ambanidia ny 21 oktobra 2016 tamin’ny 10 ora maraina. Azo sambo-belona moa ny telo tamin’izy ireo ary ny iray kosa namoy ny ainy. Basy poleta 02 ihany koa no sarona nandritra izany. Efa nisy herinandro tokoa mantsy no nandrenesan’ireo zandary ireo fa misy andian-jiolahy mikasa ny hanafika mpandraharaha ara-toe-karena iray eto an-drenivohitra ary miomana mafy mandamina ny paikady hanatanterahana ny fanafihana ireo jiolahy. Niomana fatratra noho izany koa ireo zandary ka naka endrika sivily mihitsy mba hahafahana manakana io fikasan-dratsy io na dia tsy mbola fantatra aza ny ora sy fotoana hisehoan’izany. Nisy noho izany ireo olona noahiahiana ho isan’ny jiolahy izay narahana isan’andro isan’ora. Nisy ihany koa ny fanarahana ilay mpandraharaha andro aman’alina. Ny 19 oktobra 2016 tokoa àry dia nihanitombina ny vaovao heno ka teo amin’ny « rond-point » Anosy akaikin’ny Antenimierandoholona no nifamory ireto lehilahy maromaro ary niparitaka tamin’ny môtô avy eo mba samy haka ny toerany amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny fanafihana. Narahan’izy ireo avy hatrany tamin’ny kodiaran-droa ilay fiara nitondra ilay mpandraharaha saingy efa nisy zandary avy amin’ny Gsis miakanjo sivily tao anatiny satria efa arak’ireo mpitandro filaminana ny lamina napetrak’ireo jiolahy.
Rehefa teo Ankazotokana Ambanidia dia niezaka ny hihoatra ilay fiara ireo jiolahy roa ary namoaka basy saika hitifitra ny mpamily tao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Nandray ny andraikiny ary naneho ny fahaiza-manaony tamin’izay ireo zandarin’ny Gsis rehefa nahatsapa fa tsy honohono fa tena mitombina ny angom-baovoarain’izy ireo ka nitifitra avy hatrany. Voa ireo jiolahy roa ka samy naratra. Nesorina ny basy poleta 01 teny aminy ary nentina haingana teny amin’ny hôpitaly saingy tsy tana ny ain’ny iray rehefa tonga teny. Nandritra io fotoana nifampitifirana io ihany koa anefa dia efa nisy zandary avy ao amin’ny « Tana-ville » nanara-maso ireo lehilahy roa hafa nitaingina moto efa noahiahiana niandry ny fiavian’ireo namany na ny fiara tokony hotafihina teo akaikin’ny villa Berlin. Raha vao nandre izy ireo (antso finday) fa tratra ny namany roalahy, avy hatrany dia nitsoaka kanefa kinga dia kinga ny zandary ka avy dia nanenjika ary nahatratra azy ireo mora foana tsy nisy poa-basy teo Ambohitsoa ambany. Basy poleta iray hafa koa no tratra tany amin’izy roalahy ireo rehefa nosavaina. Nisy naman’izy ireo hafa nandeha an-tongotra no tafaporitsaka ka mbola eo am-pikarohana azy ireo ny zandary maro amin’izao. Natomboka avy hatrany ao Ankadilalana ny famotorana. Ny zandarimariam-pirenena dia maneho ny fisaorana ho an’ireo rehetra nanampy azy tamin’ny fanomezam-baovao. Toa izany koa ny fahatokisana ireo zandary tao amin’ilay mpandraharaha ka nanekeny ny fiaraha-miasa. Ny firaisankina tokoa no hery ka mifameno ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana amin’ny fampanjakana ny fandriam-pahalemana.
Nangonin’i Ny Tsiky R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







