Tsy ampy sakafo ny ho avin’ny firenena !
Tsy ampy sakafo ny 42 isan-jaton’ny zaza malagasy mandeha mianatra. Io no antontan’isa navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny herinandro lasa teo. Manoloana izany dia misy ny fiaraha-miasa amin’ny mpanohana iraisam-pirenena mba hamatsiana vola ny tetikasa fanomezana sakafo any am-pianarana. Ireo ankizy any amin’ny faritra atsimo no tena voakasik’io tetikasa io ka tanjona ny mba hanomezana fifantohana ho an’ireo zaza rehefa ao am-pianarana. Raha noana tokoa ny kibo dia mivezivezy ny fanahy ka tsy hisy fianarana hiditra amin’ny sain’ny ankizy raha tsy misakafo izy ireo.
Ny tsy fahampian-tsakafon’ny mpianatra dia mampiseho fa mahantra ny tokantrano sy ny fianakaviana misy azy. Taratry ny fahantran’ny firenena sy ny tsy fahombiazan’ny asa fampandrosoana ifotony sy ny mahakasika ny sosialim-bahoaka izany rehetra izany. Karazan’ny misy mifandiso ihany ny kabary fanaon’ny mpitondra Fanjakana raha ny hetsika fitetezam-paritra ataon’ny fahefana mpanatanteraka sy ity tarehy marika mahakasika ny tsy fahampian-tsakafon’ny mpianatra ity no jerena. Milaza ho tena miasa sy mahita vokatra azo tsapain-tanana amin’ny sosialim-bahoaka mantsy ny mpitondra fanjakana. Marobe ny tatitra mahakasika ny ezaka vita amin’ny fanabeazana sy ny fahasalamana. Raha ireny no henoina fotsiny dia efa tena lasa lavitra ity firenena ity ary anisan’ny firenena mandroso indrindra sy fakan-tahaka maneran-tany. Ny fitondram-panjakana ihany anefa avy eo no mamoaka fa tsy ampy sakafo ny ankamaroan’ny zaza mbola mianatra, ambony be ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza ary mbola ao anaty sokajin’ireo firenena marefo sy mora andairan’ny areti-mifindra ity firenena ity.
Mety hadinon’ny mpitondra fa ny atao hoe asa fampandrosoana dia tsy maintsy miainga amin’ny filana fototra amin’ny maha-zava-manan’aina ny olombelona dia ny fahasalamana sy ny sakafo. Ireo aloha izao no tena mahaory ny vahoaka satria tsy ho velona ary tsy afaka ny hiezaka mafy raha tsy salama na tsy ampy sakafo. Tsy azo antenaina mihitsy raha olona marefo sy tsy ampy sakafo izany no heverina hoavin’ity firenena ity. Rehefa henoina anefa ny tatitra fanaon’ny fitondram-panjakana dia toa kely ihany ny resaka mahakasika ny tena fijerena ifotony ny vahoaka. Izany minisiteran’ny mponina izany izao dia toy ny tsy misy mihitsy ary tsy hay hoe miasa mangina na zara raha miasa. Tsy misy mpijery ny vahoaka ary mahagaga fa ireo depiote izay ao amin’ny fahefana mpanao lalàna indray no matetika miditra an-tsehatra amin’ny fidinana ifotony mijery sy mitondra vahaolana amin’ny fahasahiranam-bahoaka.
Izany no hamerimberenana matetika eto hoe sao dia mba diso laharam-pahamehana àry ity fitondram-panjakana ity. Be loatra ny fotoana sy ny sehatra atokana ho an’ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena nefa tsy hita izay tena vokany. Nandray ny fihaonana an-tampon’ny Comesa isika teo dia tsy nisy tonga ireo filoha afrikanina lazaina fa namana sy mpiara-miombon’antoka. Mitaraina ihany koa ny mpandraharaha malagasy fa tsy mahita hirika hidirana ao amin’ny tsenam-barotry ny Comesa ary na misy aza ny fanondranan’i Madagasikara entana any Afrika dia ireo orinasa miorina eto saingy tantanan’ny vahiny no mahazo tombony amin’izany. Mandany fotoana fotsiny ny fisisihana hanamafy fiaraha-miasa amin’ny vahiny nefa tsy misy vokany akory. Ny malagasy anefa maro ny vonona hampiasa vola sy hiara-hiasa saingy sahirana noho ny fepetra maro izay toa natao mba hanakanana azy ireo tsy handray anjara amin’ny asa fampandrosoana ny firenena. Tsy mahagaga raha mikorosy fahana sy miha mahantra hatrany i Madagasikara ary tsy ampy sakafo ny vahoaka satria kely dia kely ny sehatra ahafahan’ny malagasy mampandroso ny firenena.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







