Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Faritra Atsimo – Mihamafy ny kere

Mitombo isa ny mpangataka ary mihinana ny masomboly mba hivelomana ny ankamaroan’ny mponina. Nanamafy ny ezaka ireo vondron’ny firenana mikambana.  Toy ny Pam, ohatra, izay nanamafy ny fanampiana ara-tsakafo sy ara-bola nataony ary kendrena mba hiantefa amin’ny olona iray tapitrisa izany fanampiana izany. nanamafy ny famantsian-drano sy fidiovana hoan’olona 850 000 fanampiny hafa kosa ny Unicef. Toy izay ihany koa ny Fao izay afaka namonjy fianakaviana 170 000 tamin’ny fanampiana nentiny.

Taorian’ny tombana natao tamin’ny fanamafisana ny fanampiana ho an’ny fanjariana ara-tsakafo any Atsimon’i Madagasikara, dia nanamafy ny ezaka izay efa natao ireo vondrona ao anatin’ny firenena mikambana na ireo “ agences onusiennes” mba hanavotana ireo ain’olona maro any atsimo. Izany dia natao mba hamerana ny mosary na kere any atsimo mba tsy ho lasa loza. Araka ny fampidirana ny fanjarian-tsakafo any atsimo dia mihoatra ny antsasaky ny mponina any amin’iny faritra iny, izay miisa 840 000 eo ho eo no miaina amin’ny tsy fanjaria-tsakafo. Ny programan’asa tanterahin’ireo mpanao asa soa no manamaivana izany tsy fanjarian-tsakafo izany izay niseho tena mafy tokoa tamin’ity taona ity noho ny tsy fahampian’ny vokatra ara-pambolena ateraky ny tsy fisian-drano. Eo anatrehan’izany, mila fanohanana akaiky ireo mpamonjy aina mba hahazoana vahaolona mifanaraka amin’izany tsy fahampiana izany. Io tsy fahampiana ara-tsakafo io, izay mety mbola hitombo amin’ny taona 2017 raha ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Ipc raha tsy misy fanampiana tonga faran’izay haingana. “Nanaitra mafy ahy ny zavatra hitako tany amin’ny faritra atsimo tamin’ity volana ity”, hoy Chris Nikoi, talem-paritry ny Pam na ny Programme Alimentaire Mondiale aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika. “Miaina eo am-pototry ny loza ny ankamaroan’ny olona. Maro amin’izy ireo no tsy misakafo  afa-tsy raketa. Mila miara-mihetsika haingana isika mba hamonjena ireo olona ireo mba hitsirian’ny fanantenana eo amin’izy ireo indray ». « Mety hovidiana lafo ny tsy fandraisana andraikitra ataontsika na ny mety ho fahataran’izany », hoy i David Phiri, mpandrindra ara-paritra ny  Fao aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika. Efa mihamaro koa ireo ankizy no mitsoaka an-daharana eny an-tsekoly ka lasa mitady vola. Ny ankizy anefa no tena ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mafy.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre