Vous êtes ici :

Mardi 07 Mai 2024

ombre

Anjanahary – Niparitaka ny atidoan’ilay zaza voahitsaky ny Taksibe sprinter

Nahafaty olona indray ny fiara Sprinter. Malaza ratsy ary tsy vao izao no mamono olona ity marika fiara ity, na fitateram-bahoaka izany na an’olon-tsotra. Zava-doza ary tena mampalahelo indray no nitranga teny amin’iny faritra Anjanahary iny omaly hariva. Zazakely manodidina ny 8 taona  no nofaohin’ny taksibe Sprinter iray. Araka ny vaovao azo dia nandeha mafy io fiara io ka tsy nahita an’ilay zaza niampita. Rehefa akaiky kely ilay mpamily vao nanitsaka ny hisatra saingy tsy tafajanona intsony ary voadona tamin’izany ilay zaza. Voadona mafy tokoa ity zaza raha ny ny diana kodiarana nifaritra mainty teo amin’ny arabe no dinihina. Voahitsaky ny kodiarana mantsy ny lohan’ilay niharan-doza ary dia niparitana teo amin’ny lalana ny atidohany ary feno rà ny arabe. Ilay mpamily kosa nanararoatra ny tsy fisian’ny olona maro teo amin’ny manodidina ka nitsoaka ary tsy hita hatramin’izao ny misy azy. Vao nahita izany kosa ny fokonolona dia nitangorona ary nitady ny misy ilay mpamily. Tao anatin’ny minitra vitsy dia hipoka olona ny toerana ary raha ny voalaza dia saika hanao fitsaram-bahoaka ry zareo izay tezitra mafy tamin’ny nataony. Nandeha irery ity zaza ka ny fokonolona no nanarona lamba ny razana izay tena potipotika tokoa, mandra-pahatonga ny havany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana ary nijery ny zava-nisy. Manoloana izany dia mbola eo am-pikarohana ny mp amily ilay fiara nahavanon-doza na izay vavolombelona naharay ny mombamomba azy ity araka izany ny fianakavian’ny maty. Misokatra ihany koa ny fanadihadiana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre