Fonja na fasana no miandry ny mpanao gazety
Efa sangy mihoatra ny loha ny zava-mitranga ary na niezaka ny tsy hiditra amin’ny fifandirana samihafa aza izahay eto amin’ny bala dia tsy afaka ny hangina intsony manoloana ny zava-doza nitranga tamin’ny namana mpanao gazety ao amin’ny Free news. Aiza ve dia nodarohana ary niafara tamin’ny fahatoranan’ilay tanora tsy manan-tsiny satria tsy nanao ratsy teto amin’ny firenena ary tsy nanao heloka tamin’iza na iza. Vao roa herinandro anefa izay teto Madagasikara no nalaza be ny ady amin’ny fampijaliana ataon’ny mpitandro filaminana dia io fa miseho sahady ary olona miasa amin’ny fampahalalam-baovao ilay novonoina. Tena mizaka ny tsy eran’ny ainy ara-bakiteny mihitsy ny mpanao gazety sy ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety nefa efa tena miezaka ny manao izay mampanara-penitra ilay asa. Maro tsy tambo isaina ny sakantsakana ataon’ny manam-pahefana mba tsy hahafahana manatanteraka an-tsakany sy an-davany ity asa ity. Voalohany amin’izany ny tsy fanomezana vaovao.
Mahagaga fa ireo gazety tena sahy ny marina ihany no tena anaovana tsindry hazo lena. Ankoatra ny Free News mantsy dia anisan’ny tena ianjadian’ny tsindry aloka matetika ity Madagascar Matin ity misy vehivavy misora-tena ho tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny minisiteran’ny vola ao izao efa sahy niteny fa tsy mahafantatra izany Madagascar Matin izany. Mahamenatra ary maharikoriko raha olona milaza ho mpiasan’ny minisitera no tsy hahafantatra gazety mivoaka isan’andro ary anisan’ny lohalaharana amin’ny fivoizana hevitra eto amin’ny firenena. Mahagaga anefa fa raha vao misy fehezanteny kely iray monja manohintohina ny fihinanan’ny be fahefana dia misarongatra miantso sy mandefa taratasy ary tonga aty am-piasana mihitsy ry zareo manao vavabe sy fandrahonana isan-tsokajiny. Efa sakafo fihinana sy rivotra fohana isan’andro eto amin’ity gazety ity izany fandrahonana izany nefa tsy mbola nitaraina izahay teto fa zakainay ny anay. Efa nisy ihany koa ny fampidirana am-ponja mpanao gazety teto ary teo ihany koa ireo fitoriana tsy mitombina nampiakarana anay teny anivon’ny mpitandro filaminana. Nozakaina samy irery izany rehetra izany ary tsy nitarainana tamin’iza na iza satria ny mpanao gazety tsy olona kanosa sy be fihetsiketsehana fa miatrika ny mafy mianjady aminy noho ny fitiavana ny asa sy ny fahalalahana.
Raha todim-pitia aza manody fa raha todim-paty kosa manodiava. Tsy afaka ny hangina sy tsy hanameloka kosa raha miafara amin’ny famonoana sy fidarohana maimaimpoana ny tsy fitovian-kevitra amin’ny manam-pahefana sy ny mpanao gazety. Tsy ekena na oviana na oviana izany famonoana olona izany na inona na inona antony. Lazaina fa tany tan-dalàna eto ary manana fitsarana mahaleo tena koa maninona no darohana ho ny namana? Vazivazy zary tenany nefa tena mitombina eto amin’ity asa ity ny hoe “Ny tongotra iray any am-pigadrana,ary ny ilany any am-pasana”. Tena marina io satria isaka ny manao ny asany ny mpanao gazety dia efa mananontanona ny sazy goavana toy ny fitoriana, ny fisamborana ary ny fandroahana amin’ny toeram-piasana sy ny famonoana ho faty. Izany ve no fampandrosoana dradradradraina amin’izao fotoana izao? Hatramin’ny nijoroan’ity Repoblika fahefatra ity dia efa nisy mpanao gazety iray maty nisy namono, maromaro no efa naratra sy nidira hopitaly noho ny herisetra, 2 hafa nogadraina, ary efa marobe ireo natao fanadihadiana teny amin’ny mpitandro filaminana. Tsy azo ekena intsony kosa ny antsojay toy izany satria efa andron’ny fahazavana sy ny fahalalahana izao ka tsy vahaolana ny fampiasan-kery sy ny famoretana mba hampanginana ny hafa. Ny mpanao gazety sisa no mba fitarainan’ny vahoaka sy misolo vava mitatitra izay tranga rehetra eny anivon’ny fiarahamonina nefa dia izao ampihorohoroana amin’ny daroka izao. Io antony io no mampijoro ny vondrona mpanao gazety maro samihafa mitaky ny fahalalahana hiteny sy ny fanafoanana ny famonjana noho ny famoaham-baovao amin’ny endriny rehetra.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







