Ambanja – Zaza telo volana kilan’ny afo
Maizin’ny setroka ny lanitra ny harivan’ny Sabotsy 22 Oktobra lasa teo, tany Begavo ao amin’ny distrikan’Ambanja, faritra Diana, noho ny fahamaizan’ny trano iray, tokony ho tamin’ny 07 ora hariva. Tsy fantatra mazava izay niandoha’ny afo tamin’io fotoana io. Nivoaka ny trano nandeha nividy solitany ilay reni-mpianakaviana ary navelany tao an-trano ny zanany kely roa vavy. Akory ny hatairany rehefa niverina fa afo miredareda no novantaniny. Niantso avy hatrany ny fokonolona sy ny mpamonjy voina hamono ny afo izy. Niezaka ihany koa izy ireo nifanampy tamin’ny famoahana ny entana, saingy efa tara loatra ka efa betsaka no levon’ny afo . Araka ny loharanom-baovao voaray dia olona valo no tsy manan-kialofana ary zaza iray telovolana no maty kilan’ny afo. Ny mpifanolo-bodirindrina no mampiantrano azy ireo amin’izao fotoana izao. Mbola mitohy ny fanadihadiana izay tena zava-nitranga marina tamin’ity fianakaviana ity ka ny borigadin’ny polisy ao Ambanja no manao ny famotorana.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







