Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Antoko mpihira evanjelika – Jobily volamena “Ny Aleloia” Anosisoa

Ny sabotsy 22 sy ny alahady 23 oktobra 2016 lasa teo no natokan’ny antoko mpihira “Ny Aleloia” Fjkm Anosisoa Fitiavana, Spaa 10 namaranana ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-50 niorenany teo amin’ny sehatry ny asa fitoriana filazantsara an-kira.  Taorian’ny kaonseritra natao tao amin’ny Dome Rta Ankorondrano, niarahan’”Ny Aleloia” zandriny sy ny zokiny am-perinasa, ary ny maintimolaly, tamin’ireo antoko mpihira ara-pilazantsara toy ny Hosana Ambohijatovo fitiavana, sy ny Antsan’i Kristy, ny tolakandron’ny sabotsy 22 oktobra 2016 ; dia nisy ny fanamarihana ny jobily volamena notanterahina ny  tontolo andron’ny alahady 23 oktobra lasa teo, tao amin’ny fiangonana Anosisoa Fitiavana Ambohimanarina, Fjkm Spaa 10. Tao anatin’ny fanompoam-pivavahana niarahana tamin’ny synodam-paritany, fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-50 taonan’ny Antoko Mpihira “Ny Aleloia”, no nanatontosana ny fanokanana ny tsangambato sy nanehoana ny zava-bita tamin’ny fanondrotana ho avo ny pilipitra ary ny fanolorana ny “orgue” hiaka farany izay mitentina 240 000 euros ny vidiny, ho an’ny fitandremana Anosisoa Fitiavana. Nofaranana tamin’ny antsan-kira lehibe niarahana tamin’ireo antoko mpihira maro ao Antananarivo ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-50 taona. Raha tsiahivina dia ny taona 1966 no nanorenan’ireo mpikambana vitsivitsy tao amin’ny sampana tanora kristiana, Fjkm Anosisoa ny antoko mpihira Aleloia, ka ny mpitandrina,  Itompolahy Radaorison Charles mivady sy ny raiamandreny Rajeston, no nanome tantsoroka ho fampaherezana ireo tanora ireo. Velona sy miaina hatrany “Ny Aleloia” fa eo ireo zandry zanaka, dia “Ny Aleloia zandriny, sy Aleloia zokiny, izay tarihin’ny filoha am-perinasa, Rakotoarimanana Rahoera Danielson, sy ny mpampianatra hira mavitrika, Randriamangason Malala Nalisoa. Zava-bita maro no vitan’”Ny Aleloia” am-perinasa amin’izao fotoana izao raha tsy hitanisa afa tsy ny fametrahana ny fanamafisam-peo matanjaka ao anatin’ny fiangonana, ny fanavaozana ny varavarambe misy fitaratra, ny fanolorana dabilio miisa folo mitetim-bidy 30 000 Ariary isanisany.

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre