Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Doro tanety – Mpamonjy voina 3 maty

Anisan’ny sarotra sy mampidi-doza ny asa ataon’ireo mpamonjy voina. Mafy mantsy ny miatrika ireo voina maro samihafa mety hitranga toy ny haintrano, doro tanety sy ny famonjena olona raha sendra loza voajanahary. Mila fahavonona ara-batana, ara-tsaina ary ara-materialy izany, ary tsy misy ny fiatoana fa mila vonona na andro na alina. Naharay antso ireo mpamonjy voina tao Moramanga noho ny fisian’ny doro tanety nanamorona iny lalam-pirenena faharoa iny, afo izay nanambana ny ala iray manontolo. Tsy maintsy nizotra haingana nakany an-toerana ary ireo mpamonjy voina hanakana ny fihitaran’ny afo  ka teo amin’ny fikoropahana no niavian’ity loza mahatsiravina ity. Nivadika ilay fiarabe mpitondra rano nisy olona 16 avy amin’ny fikambanana Fanalamanga ka vehivavy 3 no namoy ny ainy voatsindrin’ilay fiara, samy naratra kosa ireo 13 ambiny ary efa mandray fitsaboana any amin’ny hopitalin’i Moramanga izy ireo ankehitriny.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre