« Village Francophonie » – Tsy mampino ny hahavitany ara-potoana
Raha araka ny resaka ataon’ireo mpiasa, izay efa miha vitsy hatrany ka mampitarazoko ny asa eny amin’ny trano handraisana ireo olo-manan-kaja hanatrika ny frankofonia eto amintsika na ny « village de la francophonie » eny amin’ny lalana digy Andohatapenaka dia mihakely finoana ihany ny rehetra amin’ny ho fahavitan’ny asa ara-potoana. Raha tsy hoe angaha ka hisy ny fahagagana. Iray volana latsaka sisa dia higadona ny fandraisana ny fivoriana an-tampon’ny Frankofonia na firenena miteny frantsay andiany faha 16 izay hotanterahana eto Madagasikara ny faha 21 hatramin’ny faha 26 ny volana novambra ho avy izao. Raha mizotra soa aman-tsara kosa ny fanamboaran-dalana mampitohy ny toeram-pivarotana asa tanana malagasy sy ny etsy Tsaramasay izay efa miroso amin’ny fandrarahana tara na « goudron » ireo mpiasa amin’izao fotoana izao dia mahavahotra ihany ny mandinika ny trano izay andraisana ireo delegasiona etsy Andohatapenaka. Marihina fa tsy latsaka ny firenena 80 no ho avy eto handray anjara amin’izany fivoriana an-tampon’ny firenena miteny frantsay izany. Fara fahakeliny filoham-panjakana 44 no efa nanamafy ny fandraisany anjara ary ho tonga eto Madagasikara amin’io fotoana io. Izany hoe antsasa-manilan’ireo firenena mpikambana. Tsy ferana ireo izay mbola hisoratra anarana amin’ny fotoana farany. Anarivony noho izany no isan’ny delegasiona andrasana.
Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia ny mifanohitra tanteraka amin’ny ambaran’i Hugues Ratsiferana, filohan’ny vondron’ny mpikarakara ity hetsika ity. Vao tamin’ny volana aogositra manko izy ireo no nanamafy fa tsy misy ny fahatarana ary tsy maintsy ho vita ara-potoana ny asa. Raha ny tsapa kosa anefa dia hita fa mihamitarazoka ny fizotry ny asa. Raha tazanina aty ivelany dia mbola tsy milalotra akory fa mbola trano “parpain” no mitsangana. Ahiana toa ho vola very fotsiny no lany amin’ny fanamboarana.
Safidy Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







