Talatamaty – Mpangataka iray teraka teny amoron-dalana
Mampihetsi-po no sady mampalahelo ity tranga iray niseho omaly hariva teny Talatamaty ity. Ramatoa iray mpangataka no teraka teo amoron-dalana. Araka ny vaovao azo dia efa eo amin’io toerana nahitana azy io foana izy io no mangataka ary efa aman-taonany maro. Volana maromaro anefa dia hita fa nitoe-jaza ity farany ary efa maro ireo nametra-panontaniana hoe ahoana ny fomba handraisana azy, na ny ara-pitaovana izany na ny ara-bola. Hatairana ny an’ireo olona sendra nandalo tamin’iny toerana iny io omaly io. Vehivavy iray, tokony ho tany amin’ny 30 taona tany ho any no nitangolika teo. Noheverin’ireo mpandalo fa marary izy. Taorian’izay anefa, feon-jazakely mitomamy no henon’ny rehetra. Tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva tany ho any mantsy dia teraka soa aman-tsara izy anefa na dia lamba iray nandraisana an’ilay menavava aza tsy nisy akory. Rehefa nandeha ny minitra dia nisy tsara sitra-po mba nanome lamba kely nandraisana ilay zazakely ary niandraikitra ny nitondrana azy mianaka tany amin’ny dokotera akaiky indrindra. Avotra soa aman-tsara noho izany ilay zaza sy ilay reniny. Ny tena maha te hidera dia nisy olona tsara sitra-po nanolo-tena nanaraka azy mianaka hatrany. Araka ny vaovao azo dia mody eny Soavimasoandro ilay mpangataka teraka ary nalefa fiara karetsaka teo Andranomena mba tsy hilaharany fiara fitateram-bahoaka. Rehefa tonga tany an-tokantranony ilay ramatoa dia nifana, ohatra ny renim-pianakaviana kely anaka rehetra. Mbola nisy vola ambin’ny nomen’ireo mpandalo azy teny aminy sy sakafo kely mba hahafahany miaina ara-dalana na mandritra ny andro vitsy monja aza. Raha tsiahivina dia tamin’ny herintaona toy izao koa dia nisy tranga toy ity teny Antanimena, teo akaikin’i Villa Pradon. Salama ihany koa ilay zaza tamin’izany satria mbola maro ireo tsara fanahy nanampy azy. Marihina fa vavy kely ity zaza vao teraka teny amoron-dalana ity.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







