Miarinarivo – Tokantrano efatra indray notafihan’ny jiolahy
Mbola mitohy hatrany ny fanafihana mitam-basy eto amin’ny firenena. Ny 22 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny 09 ora alina dia dahalo miisa enina indray no namaky trano teny Ambatoasana, distrikan’i Miarinarivo, kaominina ambanivohitry Mandiavato. Nitondra basim-borona tsirairay avy izy ireo ary tokantrano efatra be izao no indray vaotafika. Olona efatra ihany koa no nianjadian’ny herisetra ka ny iray tamin’izy ireo dia naratra mafy vokatry ny tifitra nahazo ny tongony. Araka ny loharanom-baovao voaray dia vola mitentina 596 000 Ariary, fahitalavitra roa, finday telo ary taratasy fahazoan-dalana hitondra fiara iray no indray lasan’ireo jiolahy. Vantany vao lasa ireo olon-dratsy ireo dia nanatona avy hatrany ny fokonolona ka nifarimbona nitondra ilay naratra tany amin’ny hôpitaly akaiky azy indrindra. Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana eny an-toerana amin’izao fotoana izao.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







