Hafakely – Nahay niteny Espanôla tampoka ilay tsy nahatsiaro tena
Mahagaga ary na ireo manam-pahaizana aza tsy nahavoazava ity tranga hafa kely ity. Tany Amerika no niseho izy ity ary nahatalanjona ny maro, indrindra fa ireo mpanaraka vaovao amin’ny aterneto. Mpanao baolina lehilahy iray 16 taona mantsy no voalaza fa lasa nahay niteny Espanôla tampoka rehefa tsy nahatsiaro tena nandritra ny fotoana ela. Araka ny voalaza dia voadona teo amin’ny faritry ny lohany ity tovolahy ka torana. Avy hatrany moa dia nentina tany amin’ny hopitaly izy ary tsy nahatsiaro tena nandritra ny telo andro be izao. Ny nahagaga anefa dia rehefa nifoha teo am-pandriana izy dia teny izay tsy mbola hainy tsara akory no niresahany tamin’ny fianakaviana. Araka ny volazan’ireto farany dia tsy nahay niteny Anglisy intsony ilay zazalahy, anefa dia tenin-dreniny izany. Araka ny nohazavainy tamin’ny radio vahiny Wsb dia mety efa naheno teny Espagnol kely tamin’ny namany sy ny mpiara-mianatra aminy ihany izy taloha saingy tsy mbola voafehiny izany. Rehefa nandeha kosa ny fotoana dia very tsikelikely ny fahaizany miteny io fiteny io ary miverina miandalana ny fahaizany miteny anglisy na dia mbola miankanakana ihany aza izy miresaka amin’ny olona. Amin’izao fotoana izao dia mbola mitady fanazavana siantifika mba hahafahana manazava io tranga io ireo manam-pahaizana Amerikana. Amin’izao fotoana izao moa dia efa niverina nilalao an-kianja ilay tovolahy ary vao maika lasa mahay sy matanjaka izy.
Nangonin’i Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







