Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Famokarana divay – Mitarika fahavoazana lehibe ny fahataran’ny rotsak’orana

Maro ny fepetra ilaina raha te hamokatra voaloboka tsara sy avo kalitao hahodina ho divay, anisan’izany ny toe-tany : mila toerana avo ny fambolena voaloboka mba hiadivana amin’ny hafanana diso tafahoatra sy ny kalitaon’ny tany : tany misy ireo akora rehetra ilaina toy ny magnésium, potassium…, ary ny toetrandro. Mila rano betsaka ny fambolena azy io mba hivoarany tanteraka. Feno ny fepetra roa, toetra sy kalitaon’ny tany, raha ny ho an’ny faritry Fianarantsoa manokana. Faritra tena mpamokatra divay be indrindra eto Madagasikara ahitana ireo tena sangany toy ny clos malaza sy ny lazan’ny Betsileo… Eo amin’ny rano kosa no tsy ampy ankehitriny. Tara roa volana mantsy tamin’ity taona ity ny filatsahan’ny orana ka tsy maniry araka ny tokony ho izy ireo voaloboka nambolena. Mbola hitohy hatramin’ny volana novambra nefa izany haintany izany ka any amin’ny desambra any mihitsy vao hisy ny orana. Manomboka ny volana desambra indray anefa dia ahiana ny hisian’ny rivodoza 3 mety handalo eto amintsika izay mety hanimba indray ny fambolena iray manontolo.  Raha ny nambaran’ny mpamboly iray dia ny doro tanety lava izay mamotika ny ala rehetra manodidina no tsy mampirotsaka ny orana ary mampitombo ny entona sy hafanana. Betsaka tokoa mantsy ireo mpitrandraka arina fandrehitra izay mamoaka gony 45 isan’andro, eo koa ireo mpanamboatra biriky izay mamotika tanteraka ny ala ankehitriny. Miahiahy àry ireo mpamboly sy mpamokatra divay any an-toerana ny amin’ny mety hitoizan’izao toe-javatra izao. Efa mihena tokoa mantsy ny famokarana divay amin’izao ary miakatra hatrany noho izany ny vidiny.

 

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre