Vous êtes ici :

Lundi 22 Décembre 2025

ombre

Hifandrotika foana ve ?

Mitodika any Soamahamanina indray ny sain’ny vahoaka malagasy mpanara-baovao amin’ity andro ity. Anio tokoa mantsy no nambaran’ny mponina hanaovana hetsika goavana hampitan’izy ireo ny hetahetany amin’ny fitondram-panjakana. Mizara roa samihafa nefa mifameno ny fangatahana dia ny hamoahana ireo solontenan’ny vahoaka nosamborina sy nogadraina eny am-ponja, sy ny fanafoanana tanteraka ny fanomezan-dalana ny orinasa sinoa hitrandraka volamena any an-toerana. Tany am-boalohany dia nosokajiana ho tafiditra ao anatin’ny trangam-piarahamonina tsotra ny zava-niseho tao Soamahamanina. Izany hoe ny tsy faneken’ny vahoaka ny fitrandrahana volamena ataon’ny orinasa vahiny. Rehefa nivoatra anefa ny raharaha dia nanjary nahakasika ny fitiavan-tanindrazana sy ny fiarovana ny harem-pirenena tsy hataon’ny hafa tantely afa-drakotra ary tsy hozarazaraina amin’ny vahiny. Lasa fitaratra sy fankaherezana ny mponina amin’ny faritra hafa izay tratran’ny tsindry hazolena sy ny fanaparam-pahefana mantsy ny hetsika ataon’ny vahoaka Soamahamanina izay tsy manaiky lembenana mihitsy manoloana ny fiarovana ny tanindrazana tsy ho lasan’ny vahiny. Tsy haharesy velively ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmoreg ny mponin’i Soamahamanina isaka ny misy fifandonana satria atody tsy miady amam-bato, nefa kosa ny herim-po ananan’izy ireo dia tsy hay tohaina ary sarotra ho an’ny mpitondra Fanjakana ny hanakana izany.

Karazan’ny diso paika sy kendan’ny nasesiky ny tanany ihany izay tompon’andraikitra misahana ny fanomezan-dalana ny orinasa vahiny hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara satria tsy manaiky ny vahoaka. Handroso maty raibe, hihemotra maty raibe hoy ny fitenenana satria an-daniny ny vahoaka tsy manaiky ary vonona hiaro hatramin’ny farany ny tanindrazany, ankilany ihany koa anefa dia efa nanao fifanarahana tamin’ireo orinasa sy firenena vahiny. Tsy hanaiky hiala moramora amin’izao ny sinoa raha ny fampiasam-bola efa nataony teto no jerena. Tsy toko tsy forohana mantsy ny vola nolanian’izy ireo tamin’ireny fanamboarana fotodrafitrasa handraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia ireny. Hita soritra mazava fa mety ho tafiditra tamin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny fanomezana fahafahana ny orinasa sinoa marobe hitrandraka ny harena an-kibon’ny tanin’ny malagasy mba hanonerana ny vola nampiasain’izy ireo.

Mihenjan-droa ny tady satria sarotra hinoana ny hahasahian’ny fitondram-panjakana hanafoana ireo fanomezan-dalana rehetra efa nomena ny sinoa. Tsy i Soamahamanina irery mantsy no lasibatra fa efa kariera marobe any  amin’ny faritra maro samihafa. Izany hoe raha vao ho foanana i Soamahamanina dia tsy hanaiky ihany koa ny vahoaka hafa fa tsy maintsy ho foanana ihany koa ny azy ireo. Ny fanafoanana ny fitrandrahana ao Soamahamanina ihany koa dia midika tsy fahamatorana ara-piaraha-miasa eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ny vahiny ka tsy hisy mpamatsy sy mpampiasa vola hirisika hiara-hiasa amin’io fanjakana malagasy io intsony. Telo izany ny vahaolana azon’ny mpitondra atao ka ny voalohany izay tsara indrindra dia ny manafoana ny fahazoan-dalana rehetra nomena ny sinoa, ny faharoa dia ny manafoana ny ao Soamahamanina ary mitady kariera hafa homena ny sinoa. Tsy haharitra anefa io vahaolana io satria tsy hanaiky izany ny malagasy. Ny fahatelo farany izay tena hirariana mba tsy hisy dia ny fanohizana ny hery famoretana sy ny fisamborana ary ny fanagadrana mba hampanginana ny malagasy. Efa betsaka izay herisetra sy fampiasan-kery natao tamin’ny vahoaka malagasy izay nefa tsy nitondra fampandrosoana ho an’ny firenena izany fa vao mainka aza niteraka krizy tsy ahitam-bahoalana ho an’i Madagasikara hatrany. Samy nampiasa hery sy nandatsa-drà ary nahafaty olona avokoa ny mpitondra rehetra nifandimby teto hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena nefa vao mainka nirodana tsy tafajanona teo amin’ny toerany.Tsy voatery hamono sy hanagadra vahoaka anefa vao mahita vahaolana. Arahina sy tanterahina fotsiny izay fitakiana sy hetahetam-bahoaka dia milamina io raharaha Soamahamanina io.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre