Fandaharam-pianarana – Ianarana ny famonjena aina
Fijanonan’ny fo, fahasemporana, fahatoranana, lozam-pifamoivozana, olana matetika ny tsy fahafantarana ireo fihetsika voalohany tokony hatao raha sendra voina mitranga. Misy minitra maromaro mantsy manelanelana ny fotoana itrangan’ny loza sy ny fahatongavan’ny mpamonjy voina ka mety mba hisy vahaolana azo raisina ny fahafantarana izay tokony hatao. Noho izany indrindra dia nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Ministeran’ny fampianarana sy ny fikambanan’ny tanora vokovoko mena ny 26 oktobra lasa teo. Manomboka amin’ity taom-pianarana ity dia hampianarina any amin’ny sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa fototra ireo fihetsika voalohany tokony ho hay amin’ny famonjena voina toy ny massage cardiaque, bouche à bouche, fanaovana garot sns… Avy amin’ny fandraisana andraikitry ny mpikambana ao amin’ny «Jeunesse Croix-rouge» moa no nahatonga izany fanapahan-kevitra izany.
Ny Tsik R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







