Antanambao – Nodomin’ny fiara ireo roalahy mamo
Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tany Antanambao, distrika Avaradrano, kaominina ambanivohitr’Anosiavaratra. Ny sabotsy 24 oktobra lasa teo tokoa mantsy, tokony ho tamin’ny 07 ora hariva dia fiara Peugeot 205 nentin’ny ramatoa iray no nandona mpandeha tongotra roa. Ireto farany moa izay efa mamo tanteraka ka tsy nahatsiaro tena firy intsony. Vetivety dia nitangorona ny olona ary voabahana avy hatrany ilay fiara nandona. Naratra mafy ireo roalahy ireo saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy. Avy hatrany dia nentina tao amin’ny toeram-pitsaboana tao Anosiavaratra izy ireo. Efa eo am-pelatanan’ny zandary eo anivon’ny borigadin’Antanambao moa ny fanadihadiana mikasika ny raharaha ary mbola mitohy izany amin’izao fotoana izao. Araka ny loharanom-baovao voaray kosa dia samy tompon’antoka tamin’izany na ilay ramatoa nandona na ireo roalahy mamo.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







