Vous êtes ici :

Lundi 22 Décembre 2025

ombre

Ankatso II – Notafihan’ny jiolahy ny mpianatra

Mihanaka amin’ny toerana rehetra manerana ny nosy ny tsy fandriam-phalemana ankehitriny. Matetika manko dia ny any amin’ny distrika sy ny faritra maro manodidina an’Antananarivo ihany no heno fa miaina ao anatin’ny tebiteby noho ny afitsoky ny dahalo amin’ny halatr’omby ny vahoaka satria tena mahavita mandatsak’aina ireo olon-dratsy na tsy manohitra aza ireo mponina. Eto an-drenivohitra dia miseho amin’ny karazany maro ny fanafihana. Ao ireo olon-dratsy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, ao ny mpaka an-keriny, ao kosa ireo mpanao halabotry. Izay samy ratsy avokoa fa ny zavatra angalarina sy ny anton’ny fanafihana no tsy mitovy. Toy ity tranga teny Ankatso II ny alin’ny Alarobia 25 oktobra tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Nisy mpangalatra tafiditra tao amin’ny tranon’ireo mpianatra mirahalahy ary samy tao avokoa izy ireo tamin’io alina io. Vizan’ny famerenan-desona ka tena resin-tory hany ka tsy ren’izy ireo ny olon-dratsy tafiditra tao an-trano.

Rehefa nifoha maraina izy ireo vao samy gaga fa tsy nisy teo amin’ny toerany ny findain’izy mirahalahy. Rehefa nojerena ny entana rehetra tao an-trano tsy nisy nihetsika tamin’ny toerany fa ireo finday roa ihany no tsy tao. Raha araka ny fanazavan’izy ireo dia teo amin’ny varavarankely ireo jiolahy no niditra naka ireo fitaovam-pifandraisana. Mampalahelo tokoa ny tranga toy izao miseho amin’ny mpianatra izao . Ny ray aman-dreny any lavitra, misahirana amin’ny fiantohana sy ny fampitaovana nefa dia mbola misy mahavita manao toy izao ihany koa. Araka izany, tokony hoezahan’ny tompon’andraikitra ny mametraka fanaraha-maso hentitra eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra, hitandroana ny fandriam-pahalemana.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre