Vous êtes ici :

Lundi 22 Décembre 2025

ombre

Andavamamba – Torana ilay ramatoa be nodarohan’ilay adala

Ara-bakiteny tokoa ity :  “tanàna tsy ilaozan’adala”. Tsy mifidy taona fa na mbola tanora vao erotrerony aza dia tratran’ny tsy fahatomombanana ara-tsaina. Mety ho  vokatry ny tsy fahazakana onjam-piainana na vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina. Matetika anefa dia miteraka olana eo amin’ny fiarahamonina ny fisian’izy ireny satria araka ny tsy mahasalama saina azy izay dia manao fihetsika tsy voahevitra ary mety ho tonga hatrany amin ny fikasihan-tanana mihitsy aza izany. Toy ity tranga iray, izay niseho omaly teny Andavamamba ity. Tokony ho tamin’ny telo ora folakandro teo mantsy dia ramatoa adala iray tokony ho 30 taona mahery teo no namono izay olona sendra azy teny an-dalana. Mitabataba eraka ny lalana izy ary mitondra hazo be iray. Mpianatra vavy kely ao amin ny sekoly iray teny an-toerana no voakasi-tanana voalohany tamin’izany ka nipitika teny an-tanany ny zavatra nohaniny tamin’izany. Soa anefa fa nisy olon-dehibe niaro azy fa saika mbola novelesiny tamin’ilay hazo be indray ilay zaza avy eo.

Lasa nirifatra nitsoaka izy taorian’izay ka izy mihazakazaka iny dia mively hazo izay mifanena aminy rehetra hany ka mitsoaka daholo ny olona. Ramatoa be iray niantsena teo amina toeram-pivarotana iray izay anefa no sendra azy ka nodarohany tao amin’ny lamosiny ka avy dia nianjera tamin’ny tany. Vokatr’izany, tsy nahatsiaro tena izy ary nobataina tao anaty fiara karetsaka iray, saika hoentina tany amin’ny dokotera. Tsy mbola niainga akory anefa dia nifoha ilay ramatoa. Ilay adala kosa dia tsy hay natao na inona na inona fa lasa nanohy ny diany. Fotoana vitsy taorian’io anefa dia hitan’ny olona teny amin’ny manodidina niboridana tanteraka indray izy ary nisasa tamin’ny rano maloto teny an-toerana ihany.

Ny mpandalo indray no nanapi-maso sy menatra satria izy aza tsy tompon’ny tenany. Tokony handray andraikitra ny solontenam-panjakana eny ifotony amin’ny tranga misy toy ireny eny amin’ny fiarahamonina satria hitera-doza raha harahana amin’ izany fahavoazany izany ny olona sendra tsy fahasalmana ara-tsaina toa ity vehivavy adala eny Andavamamba ity.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre