Ankazotokana – Nitsoaka ilay taksibe nadona raim-pianakaviana
Taksibe sprinter mampitohy an’Ampefiloha sy Ambolokandrina no nahavanon-doza omaly tokony ho tamin’ny folo ora sy sasan maraina. Raha hivily hanala olona teo anoloan’ny tobin-dasantsy teo Ankazotokana izy ity no nifaoka raim-pianakaviana iray nitondra bisikileta. Nikapoka tamin’ny sisin’ilay fiara ity farany ary nianjera mafy tamin’ny tany ilay rangahy. Noho ny feo mafy heno avy ao anaty fiara dia nikoropaka nijery avokoa ireo mpandeha, tsy taitra mihitsy anefa na ilay mpamily na ilay mpanampy azy ary tsy mba niraika akory ny hivoaka hijery izay nanjo ity nodominy ity. Niarina moramora ary ity farany ka nandray ny entany izay latsaka tamin’ny tany sy nampiakatra ny bisikiletany, tsy nisy ny ratra hita teny amin’ny vatany aloha, fa toa nisy narary azy ihany anefa satria tsy tonga dia nitaingina ilay bisikileta izy fa nanosika izany moramora. Tonga dia lasa nanohy ny lalany kosa ilay taksibe ka nimenomenona ireo mpandeha tao anaty fiara ary niantsoantso ireo tompon’andraikitra teo amin’ilay tobin-dasantsy. Tsy nijanona hatramin’ny farany anefa ilay mpamily ary vao mainka aza nitabataba tamin’ireo mpandeha ilay mpanampy azyniteny hoe « olona tsy maratra sy tafarina ve dia ianareo indray no misintona lakolosy eo ». Na dia tsy naratra aza anefa izy mba fahalalam-pomba ny nivoaka, nijery sy nanontany tsara ilay niharan-doza amin’ny fahasalamany ary indrindra indrindra miala tsiny satria ny lalana ikambanana fa tsy natao ho an’ny fiara iray akory ary mila fitandremana hatrany. Raha ny tokony ho izy koa mantsy dia mizotra midina mankany Antsahabe sy Ankorahotra ny lalan’itony taksibe itony fa tsy manapaka any Ankazotokana mihitsy fa noho ny fahamaikana sy ny fanenjehana ireo mpifaninana no nahatonga azy nanitsy tany ambony. Efa nifanarahana anefa fa ho hatsaraina ny tolotra omen’ireo mpitatitra an-drenivohitra nefa toa vao mainka mamoa-tsampona indray izy ity Ankehitriny.
Ny Tsiky R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







