Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Aizina sy haintany malagasy

Tokony hovaina ny anaran’ny orinasa Jirama fa toa lasa manala baraka fotsiny. Io no vazivazy zary tena fanaon’ny vahoaka eny anivon’ny fiarahamonina sy eny an-dalana rehetra eny. Misy manome soson-kevitra hoe aizina sy haintany malagasy. Ny hafa kosa dia hoe  delestazy sy fahatapahan-drano lavareny. Matoa ny olona tonga amin’ny fandrabiana toy izany dia efa tena tsy azo ekena intsony ny afitsok’ity orinasam-panjakana misahana ny famatsiana jiro sy ny rano ny vahoaka ity. Tsy mahavita misahana ny andraikitra nankinina taminy ny Jirama ary ilana vahaolana haingana izany satria efa lasa tsilo mampandrika ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka mihitsy. Mahagaga ny zava-misy satria lasa mifanilika andraikitra ny mpiasan’ny Jirama sy ny fitondram-panjakana. Andaniny ireo ao amin’ny Jirama manadio tena fa ny tsy fandoavan’ny sampan-draharaham-panjakana ny vola ao anaty faktiora no mahatonga ny orinasa hikorosy fahana sy izay delestazy tsy ahitam-bahaolana izao. Ankilany kosa ny fanjakana miteny fa misy fomba fitantanana tsy mahomby ao amin’ny Jirama ao. Tsotra ny vahaolana amin’izany raha misy tena te handray andraikitra. Voalohany dia aloan’ny Fanjakana ny volan’ny Jirama tsy voaloa rehetra. Faharoa kosa dia roahina sy soloina olom-baovao ireo mpiasan’ny Jirama tsy mahay mitantana.

Tsy vitan’ny fandiovan-tena sy ny fanilihana andraikitra mantsy ny asa ho an’ny vahoaka sy ny mpanjifa fa mila fandraisana vahaolana avy hatrany sady mahomby. Izao miditra fatiantoka izao foana amin’ny vidin-jiro aloan’ny mpanjifa no averimberin’ny Jirama sy ny mpitondra. Hatramin’izay anefa mora lavitra noho izao ny vidin-jiro nefa nahazo tombony ny Jirama. Mbola tsaroana hatramin’izao ny nakan’ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, fa hampidinina ny vidin’ny jiro sy ny rano tamin’ny taona 2009 satria nahazo tombony be ny Jirama ka mila zaraina amin’ny vahoaka ny tombontsoa. Mazava ho azy fa matoa nahazo tombony dia tsara sy nety ny fomba fitantanana talohan’ny taona 2009. Izao anefa tsy misy afa-tsy fitarainana sy fifanomezan-tsiny no mba fialana andraikitra ataon’ireo rehetra voakasiky ny jiro sy ny rano. Lazaina fa tapaka ny jiro noho ny antony maro toy ny orana avy be loatra, ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, ny fisian’ny antsanga any anaty tohadrano, ny filatsahan’ny varatra amin’ny milina mpanodina herinaratra, ny tsy fahampian’ny solika, ny fahasimban’ny milina, sns…. Raha ireo rehetra ireo no jerena dia hita fa tena tsy misy ilana azy intsony ny Jirama ary lasa vesatra ho an’ny firenena fa tsy mba fanoitra ho an’ny asa fampandrosoana. Vesatra satria sady tsy mahavita tena no tsy mahavita manarina ny lesoka sy ny tsy mety. Ny tompon’andraikitra ambony sasany eo anivon’ny fitondram-panjakana aza moa dia sahy milaza fa tena misy hasomparana sy tsy fahaiza-miasa avy eo anivon’ny Jirama mihitsy no mahatonga izao fahatapahan-jiro sy rano misesisesy sy maharitra izao. Koa raha tena misy manao izany tokoa mahagaga ihany ny tsy fisian’ny fandraisana andraikitra ka hanesorana sy hanoloana izay tsy mahavita tsara ny asany. Orinasam-panjakana ny Jirama ary ny volam-panjakana sy ny volan’ny mpanjifa no manodina azy sy mamelona ireo mpiasa ao koa mila hentitra ireo tompon’andriakitra mpanapa-kevitra fa tsy azo leferina intsony kosa ny filalaovana ny fiainam-bahoaka toy izao. Tsy afaka hiandry izay tetikasa hametrahana fotodrafitrasa mpanodina herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina toy ny rano sy ny rivotra ary masoandro izany ny vahoaka fa vahaolana izao dia izao no ilaina. Tetikasa izay toy ny revin-gadra sy mbola any ankibon’ny omby hatrany no dradradradraina etsy sy eroa fa vahaolana.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre