Vakinankaratra – Dahalo 10 mirongo basy nanafika trano iray
Tsy milamina intsony ny tanàna na eto an-drenivohitra na ny any amin’ny faritra. Amin’izao fotoana izao koa mantsy dia efa lasa tsy milamina intsony ny amin’iny faritra Vakinankaratra iny satria lasa efa ho isan’andro no misy fanafihana mitam-piadiana any an-toerana. Misy mihitsy aza ireo milaza fa efa lasa faritra mena mihitsy izy iny amin’izao raha toa ka toerana azo lazaina fa nanjakan’ny filaminana ihany aza izy taloha. Ny Talata lasa teo dia nandravarava indray ny dahalo tao amin’ny toerana fanta-daza antsoina hoe Anjoma Ramaritinina. Nisy dahalo 10 lahy, nanafika tao amin’ny tranon’ny vehivavy iray 35 taona, tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Nirongo basy mahery vaika toy ireny Mas 36 ireny ireo olon-dratsy. Araka ny vaovao azo dia mety olona mahafantatra ity ramatoa ity ihany no naman’ireo jiolahy ireo satria dia toa hainy tsianjery ny tanàna ; hatramin’ny fomba famahana ny vavahady aza. Ny tamboha izay avo dia avo aza moa dia toa voatsambikina tamin’ny fomba mora ary tsy nahenoana feo akory. Irery tao an-trano ilay ramatoa tompon-trano tamin’io fotoana io ary tsy afaka nanao na inona na inona. Tafiditra tao an-trano ny sasany tamin’ireo jiolahy ary nandrahona avy hatrany ny hanomezana azy ireo ny vola rehetra sy ny zava-tsarobidy rehetra tany aminy. Ilay ramatoa anefa nitsoaka ary saika hiantso mpitandro filaminana tamin’ny findainy ka teo no nanapoaka basy ny iray tamin’ireo jiolahy. Tsy nisy sahy nivoaka ny trano ary nanampim-baravarana avokoa Ny manodidina raha vao nahare ny feom-basy. Lasan’ireo mpamaky trano tamin’izany ny vola mitentina 700 000 ar. Rehefa nandre izany kosa ireo mpitandro filaminana dia nanantona nijery ny zava-misy. Voatifitra tamin’izany ny iray tamin’izy ireo ary nentina avy hatrany tany amin’ny Csb Anjoma Ramaritinina. Nanatontosa ny fanarahan-dia kosa ny zandary sy ireo fokonolona.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







