Ampitatafika – Lasan’ny karana ny tanimbary
Fianakaviana iray manana tanimbary eny Ampitatafika, lalana makany Fenoarivo no nianjadian’ny halatra tanimbary. Omaly no nanambarany am-pahibemaso fa efa velaran-tany manodidina ny 12ha no nisy nanatototra ary efa lasan’ny karana avokoa ireo. Nilaza izy araka izany fa rehefa natao ny fitadiavana io olona io dia mpanera iray no tonga tao an-tranony nangataka ny vidin’ilay tany. Nifandinika izay mety ho vidiny ny fianakaviana ary nanombana izany ambony dia ambony tokoa hiadiana amin’ny fahadisoana nataon’ilay karana. Vao naheno ilay vidiny kosa ilay mpanera dia tsy niverina intsony. Hita ihany anefa ilay mpanototra ilay tanimbary taty aoriana, izay nilaza avy hatrany fa efa ho 4 taona izany no nahalasan’ny karana io tany io ary efa misoratra amin’ny anarany. Araka ny nambaran’ilay fianakaviana hatrany dia hosoka avokoa ireo taratasy nataon’ity farany satria nilaza izy fa dadatoan’ilay fianakaviana no nanao sonia ilay fifanaraham-barotra tamin’ny volana mey 1998 nefa izy efa maty tamin’ny janoary 1998. Milaza ary ity fianakaviana ity fa ahiana ho efa lasan’ny karana avokoa ny tany rehetra eny amin’iny faritra iny, ary atahorana hisy hosoka ireo porofo toy ny nahazo azy ireo.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







