Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Andraisoro – Nahatratra rongony 20 kilao ny polisy

Vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantaran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina fa misy andian’olona mivarotra rongony eny amin’ny faritra Andraisoro. Ny Alarobia lasa teo àry dia nametraka vela-pandrika ny polisy hisamborana ireto mpamatsy rongony ireto. Rakotra mpitandro filaminana tsy manao fanamiana teny an-toerana tamin’ny folo ora maraina ary nanomboka ny fitadiavana azy ireo. Lehilahy 3 sy vehivavy iray no tratra tamin’izany. Fonosana rongony miisa 32 isa no tratra teny amin’izy ireo. Tsy nionona tamin’ny fahitana izany ireo polisy fa mbola nanao fisavana ny tranon’ireo olon-dratsy ireo ka tamin’izany no nahatratrarana rongony milanja 20 kilao natao tanaty valizy iray. Rehefa natao ny fanadihadiana, dia fantatra fa i Fipaliantsoa, tovolahy vao 19 taona monja ary iray tamin’ireo efatra voasambotra no tena tompon’ilay rongony fa ny ambiny kosa mpivarotra fotsiny ihany. Avy any amin’ny faritra atsimo ireto rongony ireto no entina eto Antananarivo. 50 000 ariary no fangalany ny iray valizy milanja eo amin’ny 25 kilao eo ho eo. Rehefa amidy kosa izany dia mahatratra hatrany amin’ny 150 000 ariary eo ny totalim-bidiny ankoatra izay alainy ho fohany samy irery. Efa nigadra teny Antanimora i Fipaliantsoa tamin’ny taona 2012 noho ny fifohana rongony. Izao tratra mamerina izao indray izy ary sazy 5 taona eo farafaha-keliny no miandry azy. Ankoatra azy dia eo amin’ny manodidina ny 30 taona eo ireo voasambotra. Natolotra ny fampanoavana ny alakamisy teo ihany koa izy 4 mianaka ireto. Manentana sy manantena ny fiaraha-miasa avy amin’ny olona tsotra hatrany mba handray andraikitra toy izao ireo polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina.

 

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre