Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Mpangalatra môtô – Tsy tafatsoaka lavitra dia tratra

Ny alin’ny talata lasa teo, raha nanao fisafoana teny amin’ny faritra 67ha ny polisy avy ao amin’ny boriboritany faha-7 dia nifanena tamina mpitarika sarety iray teo amin’ny maxim 67 ha, tamin’ny 04 ora maraina. Vao nahita ireto mpitandro filaminana ireto anefa ilay lehilahy dia nikoropaka sy niezaka ny nandeha mafy. Vao mainka nampitombo ny ahiahin’ireo polisy izany ka raikitra ny fifanenjehana. Tsy afa-nitsoaka lavitra ilay lehilahy dia voasambotra. Rehefa nojerena ilay sarety dia hita fa môtô iray mifono lamba no tao anatiny. Rehefa natao ny fanadihadiana azy dia niaiky izy fa halatra io kodiaran-droa io ary tany amin’ny faritr’Ampasika no nangalarany izany ny alin’io andro io ihany. Ny alarobia maraina dia nisy olona tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny Csp7 67ha noho ny fahaverezan’ny môtôany. Rehefa nohamarinina dia izy tokoa no topon’ity kodiaran-droa ity ka naverina taminy avy hatrany. Natolotra ny fampanoavana omaly alakamisy kosa ity olona nangalatra ity.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre