Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Tanjombato – Mpamaky trano sy mpanolana voasambotra

Ny alin’ny Alahady hifoha alatsinainy lasa teo dia naharay antso ny polisy tao amin’ny komisaria Tanjombato nilaza fa nisy andian-dehilahy nanafika tokantrano iray tany Ifariha Tanjombato. Namonjy avy hatrany ilay toerana ireo mpitandro filaminana fa tsy nisy olona tratra intsony teny an-toerana. Notadiavina teny amin’ny manodidina ihany koa ireo olon-dratsy fa tsy hita mihitsy tamin’io andro io. Tsy afa-nanohitra ireo tompon-trano satria marobe ireo jiolahy nanafika. Vola mitentina 300 000 ariary, firavaka volafotsy, fitaovan -tokatrano toy ny solosaina, ampli baffle, sy fahita lavitra fisaka 32” no lasan’ireo mpamaky trano ireo. Naolan’ireo olon-dratsy ireo ihany koa ilay renim-pianakaviana tompon-trano sy zazavavy kely iray taizany tao an-trano izay vao 13 taona monja. Nanohy hatrany ny fitadiavana ireo mpamaky trano ireo anefa ny polisy ny ampitson’iny ary tratra ny alatsinainy alina ny 7 tamin’izy ireo. Notazomina vonjimaika tany amin’ny biraon’ny polisy teny an-toerana ireo olon-dratsy tratra ireo. Rehefa nalaina am-bava  ireo mpanao ratsy ireo dia niaiky ny zavatra nataony ary nonondro ireo namany roalahy nanolana. Ny entana halatra kosa dia efa lafo avokoa teny amin’ny Petite vitesse ny andron’ny alatsinainy ihany, ny vola efa nifampizarin’izy ireo ka tsy tafaverina. Mbola misy anisan’ireo namaky trano kosa mbola karohina mafy amin’izao na dia efa fantatra avokoa aZA ny mombamomba azy ireo. Omaly alakamisy 27 oktobra ireo 7 lahy no niatrika ny fampanoavana ary halefa any antanimora mandrapahatonga ny fitsarana azy.

 

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre