Ny lohany indray no mamingana !
Nivalona ihany ny folo andro nisokafan’ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany teny amin’ny fahefana mpanao lalàna saingy tsy hita izay vokatra hatreto. Raha ny Antenimieram-pirenena manokana no jerena dia efa mba mihetsika kely ihany ny solombavam-bahoaka satria efa nivoaka ny tetiandro mazava nataon’izy ireo handinihana ireo volavolan-dalàna efa tonga eny aminy. Efa nampiantso indroa miantoana ny minisitry ny vola sy ny tetibola ihany koa ireo depiote hanontaniana ny pitsopitsony amin’ny tetibolam-panjakana 2017. Anisan’ny tena nahaliana ireo solombavam-bahoaka ny mahakasika ilay tetibola natokana hamatsiana ny asa fampandrosoana isaka ny distrika. Maika sy dodona ireo depiote ny hivoahan’io vola io mba hampandehanana haingana ny fampandrosoana ifotony. Tsy rototra kosa anefa ny governemanta sy ny minisitera mpamoaka ny vola na dia fantatra aza fa efa vonona io vola io. Heverin’ny rehetra fa tsy te ho terena hanaiky lembenana ny sitrapon’ny solombavam-bahoaka ny minisitry ny vola matoa nanepoka tsy nitranga teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza ny alakamisy tolakandro teo na dia efa fotoana nifanomezana aza.
Raharaham-pirenena no resahana ary volam-bahoaka no havoaka ka mila mailo ny Fanjakana sao lasa tantely afa-drakotra ireo volabe hozaraina ho an’ny distrika ireo. Mila tetikasa mazava sy maty paika ary azo antoka fa ho vita ara-potoana sy hitondra fampandrosoana mihitsy vao afaka avoaka ny vola raha ny tokony ho izy. Iaraha-mahalala rahateo ny fomba fiasan’ny tompon’nadraikitra eny ifotony sy eny amin’ny ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny izay tena havanana amin’ny fanodikodinam-bola. Mila mametraka rafitra mazava mihitsy ny Fanjakana mba hanara-maso ny fampiasana ireo vola ho an’ny distrika mba tsy ho lanilany sy verivery fotsiny amin’izao.
Izany ny an’ny depiote fa mbola ady saritaka ny eo anivon’ny Antenimierandoholona. Na dia eo aza ny fahamatorana sy ny fahaizan’izy ireo manafina ny tsy fitovian-kevitra amin’ny samy loholona dia mipoitra eny ihany ny tsy fifankahazahoana. Folo andro taorian’ny fanombohan’ny fivoriana dia mbola ny resaka savorovoro anatiny ihany ny vaovao misongadina eny amin’ny lapa maitson’Anosikely. Mihodinkodina sy miovaova be ny fanehoan-kevitr’ireo senatera, saingy ny azo antoka dia ny fisian’ny ankolafy tsy mankasitraka ny fitantanan’ny filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny intsony. Tamin’ny voalohany dia ny fanonganana ny birao maharitra no tena nahoraka teny Anosy. Avy eo indray dia navadika tamin’ny resaka tsy fankasitrahana ny fomba nanendrena ny mpikambana ao amin’ny kabinetra ny adihevitra. Ankilan’izany anefa dia tsy manaiky lembenana fa niantso ny mpiasa tsotra ao an-dapa ny ekipan’ny filohan’ny Antenimierandoholona ary karazan’ny nanambitamby azy ireo mba hiaro azy. Mihenjan-droa ny tady ao an-dapa ary vaky tanteraka ny ady amin’ny samy mpanohana ny fitondram-panjakana. Olom-boatendrin’ny filoham-pirenena avokoa mantsy ny 99 isan-jaton’ny loholona. Nisy ireo nofidiana saingy tsy maintsy nahazoana ny fankatoavan’ny filoha izy ireny vao afaka arotsaka ho kandida. Mitovy amin’ny efa notendreny ihany izany hoy ny filazan’ny mpandinika politika.
Mikorontana ny loholona ary ahiana hisy fiantrakany ratsy amin’ny fitantanana ny firenena izany satria tsy afaka ny hanatontosa an-tsakany sy an-davany ity andrim-panjakana noheverina ho fitaratra ity raha variana mifanipaka toy ny valala an-karona ny mpikambana ao aminy. Ahiana hihitatra amin’ny sehatra hafa ihany koa ny fisehoan’ny tsy fifankazahoana amin’ireo olona samy notendren’ny Filoham-pirenena. Tranga efa misy hatramin’ny ela ny tsy fitovian-kevitra amin’ny samy mpiray antoko sy ny mpiray dia saingy rehefa vaky Am-batolampy toy izao ny raharaha dia mampanahy be ny tohiny satria karazan’ny efa tonga amin’ny tsotsori-mamba hisarahana. Ho sahirana ny fitondram-panjakana satria andaniny tsy mety voavaha ireo olana ara-tsosialy maro samihafa toy ny raharaha Soamahamanina sy ny resaka delestazy, manampy trotraka ihany koa ny fitakiana sy fampitahorana avy amin’ny mpanohatra sy ireo sendikan’ny mpiasa, ankilany anefa ireo loholona nantenain-kanirina sy hanampy vao maika miady an-trano sy mampisavorovoro ny raharaham-pirenena. Ireo noheverina ho lohany indray no mitady hamingana.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







